« Fa indro, ny fanjakan'Andriamanitra dia ao anatinareo. » – Lio. 17:21.
Mofon’aina:
Ratsy toetra sady nampahory ny fanjakana tamin'ny fahavelon' i Jesôsy; nisy fanaovan-dratsy nihoapampana hatraiza hatraiza, fanaovana an-keriny, tsy fandeferana, ary fahasiahana sy fanosihosena. Tsy niezaka ny hanao fanavaozana ara-panjakana anefa ny Mpamonjy. Tsy namely izay fanaovan-dratsy teo amin'ny firenena Izy, na nanameloka ny fahavalom-pirenena. Tsy nisalovana tamin'ny fahefana na ny fitondran'ireo teo amin'ny fanjakana Izy. Ilay ohatra ho antsika dia nihatakataka tamin'ny fanjakana eto an-tany. Tsy hoe satria tsy nampiraika Azy ny fahorian' ny olona, fa satria tsy eo amin'izay mety ho vitan'ny olombelona ivelambelany fotsiny ny fanafody. Mba hahombiazan'ny fanafody, dia tsy maintsy mahatratra ny olombelona tsirairay izany, ka manavao ny fo.
Nisy Fariseo nanatona an'i Jesôsy nanontany hoe: "Rahoviana no ho tonga ny fanjakan'Andriamanitra" – Lio. 17:20. Telo taona mahery lasa izay no nanomezan'i Jaona mpanao batisa ny hafatra tahaka ny antson'ny trompetra izay nanakoako nanerana ny tany hoe: "Akaiky ny fanjakan'ny lanitra" – Mat. 3:2. Nefa tsy nahita famantarana ny amin'ny fanorenana ny fanjakana ihany ireto Fariseo ireto. (...)
Namaly i Jesôsy ka nanao hoe: "Tsy misehoseho ny fiavian'ny fanjakan'Andriamanitra; ary ny olona tsy hanao hoe: Indro ety na ery fa indro, ny fanjakan'Andriamanitra, dia ao anatinareo." Manomboka ao amin'ny fo ny fanjakan'Andriamanitra. Aza mijery etsy na eroa hahita fanehoana ny hery ara-nofo mba hanamarihana ny fiaviany.
Tsy manambara Azy ho Mesia fotsiny ny asan'i Kristy, fa maneho koa ny fomba hanorenana ny fanjakany (...), dia amin'ny alalan'ny Teniny feno hatsaram-panahy, avy amin'ny tsindrimandry, amin'ny alalan'ny asan'ny Fanahy Masina ao anaty, ary amin'ny alalan'ny firaisan'ny fanahy Aminy Izay fiainana. Ny fisehoan'ny heriny lehibe indrindra dia eo amin'ny toetry ny olombelona manjary manana ny fahatanterahan'ny toetra amam-panahin' i Kristy. (...)
Tamin'ny nanomezany ny Zanany ho an'izao tontolo izao, Andriamanitra dia nanolotra harena tsy mety ho levona ho an'ny olombelona. Raha ampitahaina amin'izany harena izany ny fananana nangonin'ny olona hatramin'ny nanorenana an'izao tontolo izao, dia ho tsinontsinona ihany. Tonga teto an-tany i Kristy nijoro teo anivon'ny taranak'olombelona mitondra ny vesatry ny fitiavana voangona mandritra ny mandrakizay. Io no harena horaisintsika, amin'ny alalan'ny fifandraisana Aminy, ka hasehontsika sy hozaraintsika. – GAG, t. 16.