« Satria efa nitolona tamin’Andriamanitra sy tamin’ny olona hianao ka nahery. »Gen. 32:29.
Raha tsy nibebaka nialoha tamin’ny nisolokiany ny nahazoany ny fizokiana i Jakoba, dia tsy ho nohenoin’Andriamanitra ny fitarainany ary tsy ho novonjena ny ainy. Ho toy izany koa amin’ny andro mahory, raha ampijalian’ny tebiteby sy ny tahotra ny zanak’Andriamanitra. Raha misy ota tsaroany fa tsy nifonany dia ho levona izy. Hahafaty ny finoany ny famoizam-po ka tsy ho ampy intsony ny fahatokiany mba hangataka amin’Andriamanitra ny fanafahany.
Tsy ho toy izany anefa no hiseho. Fa na dia hahatsiaro fatratra ny tsy fahamendrehany aza izy, dia tsy hanana ota miafina haseho. Efa ho voakosoky ny ra mahadion’i Jesosy Kristy ny fahotany ary ny fahadisoany tsy hotsaroana intsony (...)
Na iza na iza mitady hanafina na hanala tsiny ny fahotany fa tsy niaiky izany mba tsy hotsarovana eo amin’ny bokin’ny lanitra, dia ho resin’i Satana. Fa arakaraka ny fahatsaran’ny fanekem- pinoany, arakaraka ny fahamboniany, dia arakaraka izany koa no azo aniniana ny toetrany eo anatrehan’Andriamanitra sy ho fahombiazan’ny fahavalo.
Ny tantaran’i Jakoba dia maneho amintsika koa fa tsy mandà izay manatona Azy amin’ny fiovam-po marina Andriamanitra na dia efa nizotra teo amin’ny lalan’ny faharatsiana aza izany olona izany. Tamin’ny fiantorahany teo an-tratran’Andriamanitra, feno fahatokiana toy ny zaza, no nahazoan’i Jakoba izay tsy azony tamin’ny herin’ny tenany. Nampianarin’Andriamanitra azy fa ny hery sy ny fahasoavan’ny lanitra ihany no afaka hanome azy ny fitahiana aman-tsodrano nirin’ny fanahiny (...) Tsy ho faty izay rehetra manao toy izany (...)
Ny tantaran’ i Jakoba satria tsy niova fenitra izy sady naharitra.
Ny fandreseny dia maneho amintsika ny herin’ny fivavahana atao amim-paharetana. Izao no fotoana tokony hianarantsika ny atao hoe fivavahana mandresy sy ny atao hoe finoana tsy azo resena.
Ny fandresena lehibe azon’ny Fiangonana, na azon’ny Kristianina tsirairay avy dia tsy mba vokatry ny talenta, na ny fitaizana, na ny harena, na ny tombontsoa avy amin’olombelona tsy akory, fa vokatry ny fivavahana mangina izay natao teo anatrehan’Andriamanitra, tamim-pinoana miredareda sady tsy azo hozongozonina izay mamihina mafy ny herin’ny Tsitoha. - CC, t. 69.