« Finoana no nandaozany an’i Egypta, ka tsy natahorany ny fahatezeran’ny mpanjaka: fa naharitra toy ny mahita izay tsy hita izy. »Heb. 11:27.
Mofon’aina:
Nanana fahatsapana lalina ny fanatrehan’Andriamanitra i Mosesy. Nijery lavitra nahatsinjo ny fotoana hahatongavan’i Kristy amin’ny nofo izy, ary koa nahita an’i Kristy tamin’ny fomba manokana nitari-dalana ny Zanak’Isiraely tamin’ny diany rehetra. Zava-misy ho azy Andriamanitra, nibahana mandrakariva tao an-tsainy. Raha notoherin’ny olona izy, na niatrika loza sy nizaka fanaratsiana noho ny amin’i Kristy, dia nozakainy tsy tamim-pihambahambana izany.
Ninoan’i Mosesy fa Andriamanitra no nilainy sy afaka hanampy azy. Ho azy dia teo anilany nanohana azy tamin’ny fotoana rehetra Andriamanitra. (...) Tsapan’i Mosesy tamin’ny fanandramana niainany fa Andriamanitra dia mamaly soa izay mazoto mitady Azy.
Nanana fiheverana manokana ny valisoa avy amin’Andriamanitra izy. Indro lohahevitra iray momba ny finoana izay mendrika hohadihadintsika: Andriamanitra dia hamaly soa ny olona mino sy mankato. Raha iainana eo amin’ny fanandramam-piainana ny finoana dia hahazaka fitsapana ny olona izay matahotra an’Andriamanitra sy tia Azy. Feno fahatokiana i Mosesy satria nanana finoana velona. Nila fanampiana izy ka nangataka izany tamim-bavaka, dia nandray izany, ary nampidiriny tamin’ny fanandramany ny finoana fa niahy azy Andriamanitra. Nino izy fa Andriamanitra no nanapaka ny fiainany manokana. Nahita sy nanaiky an’Andriamanitra izy tamin’ny tsipiriam-piainany rehetra ary tsapany fa nijery azy Ilay mahita ny zavatra rehetra, izay mamantatra ny antony manosika sy ny miafina ao am-po. Nibanjina an’Andriamanitra izy ary natoky Azy mba handraisany hery handehanany tsy misy pentina mamakivaky ny fakam-panahy amin’ny endriny rehetra (...) Ampy hiatrehany ny toe-javatra sarotra indrindra mety hatrehin’olombelona ny fanatrehan’Andriamanitra.
Tsy hoe nisaintsaina fotsiny momba an’ Andriamanitra i Mosesy. Fahitana teo anoloany mandrakariva Andriamanitra; tsy niala teo imasony na oviana na oviana ny endrik’Andriamanitra. Nahita an’i Jesosy, Ilay Mpamonjiny izy ary nino fa nisaina ho azy ny fahamarinan’ny Mpamonjy. Tsy toy ny fanaovana anjoanjo no fiheveran’i Mosesy ny finoana, fa tena zava-misy. Finoana toy izany no ilaintsika, finoana mahazaka fisedrana. Impiry impiry moa isika no resin’ny fakam-panahy satria tsy maharitra mifantoka amin’i Jesosy ny fijerintsika! – CC, t. 85.