«Ary hoy Jehôvah tamin ’i Noa: Midira ao anatin’ny sambo-fiara hianao mbamin’ny ankohonanao rehetra, satria hianao no hitako fa marina eo anatrehako amin’izao olona miara-belona aminao izao.» Gen. 7:1.
Mofon’aina:
Efa nanaraka tsara ny toromarika nomen’ny Tompo i Noa. Efa vita ny sambofiara; efa nanomanana hanina ny olona sy ny biby hiditra ao anatiny. Dia nanao ny fitaomana farany azony natao ilay mpanompon’Andriamanitra. Tamin-kafanampo tsy hay lazaina no niantsoan’i Noa ireo mpiara-belona taminy hanaiky ny fialofana izay atolotra azy maimaimpoana. Mbola hehy sy eso ihany no navaly ny teniny. Kanjo vetivety foana dia kepoka izy rehetra. Indreny andiam-biby dia sy biby fiompy samy hafa karazana, nivoaka avy tany an’ala sy nitsontsorika avy teny amin’ny havoana; nilahatra tsimoramora nanatona ny sambofiara. Injany koa toa rivotra mahery mifofofofo. Inona àry no hiseho? Andiam-borona marobe nameno ny lanitra, avy tamin’ny vazan-tany efatra, no nilahatra mahafinaritra sy tamy nanatona. Raha mbola nanohitra sy tsy niraharaha ny baikon’Andriamanitra ny olona, ny biby kosa niditra tao amin’ny sambo fiara.
Nony nahita ireo bibidia avy any an’ala nanatona teo am-baravaran’ny sambofiara, sy ny nampidiran’i Noa azy ireo tsirairay ny olona, dia efa zatra loatra nanamafy ny fony sy efa nandà hatry ny ela loatra ny hafatr’Andriamanitra notorina taminy (...) ka tsy nandairan’inon’inona intsony ny feon’ny fieritreretan’izy ireo.
Dia nitsahatra ny famindrampo rehetra ho an’ilay taranaka meloka. Efa nahazo fialofana ny biby teny an-tsaha sy ny voro-manidina. Efa tafiditra tao amin’ny sambofiara koa i Noa mianakavy. Dia narindrin’i Jehôvah ny varavarana. (...) Tanana tsy hita maso no nandrindrina ilay varavarana mavesatra sy matevina izay tsy zakan’olona avy tao anatiny nakatona. Nanam-pialofana ary i Noa, fa ireo mpaniratsira ny fahasoavana kosa tsy mba nanam-piarovana. Tombo- kasen’Andriamanitra no napetraka teo amin’izany varavarana izany, izay lzy irery no afaka hamoha azy indray. Toy izany koa no handrindrinana ny varavaram-pahasoavana alohan’ny hiavian’i Kristy, ety ambonin’ny tany, rehefa vita ny asa fifonana ataony any an-danitra.
Noho ny tsy fisian’izany fahasoavana izany intsony, dia hamely sy hampahory mafy ny ratsy fanahy ny herin’i Satana. Izany no hahatonga azy ireo hitady handringana ny vahoakan’Andriamanitra; kanefa toy ny niarovana an’i Noa tao anaty sambofiara, dia ho toy izany koa no hiarovan’ny Tsitoha ny mpanompony. – CC, t. 39.