« Finoana no namindrana an’i Enoka tsy hiharan’ny fahafatesana; ka dia tsy hita izy, satria nafindran’Andriamanitra; fa talohan’ny namindrana azy dia nambara fa nankasitrahan’Andriamanitra izy. » Heb. 11:5.
Mofon’aina:
Rehefa mianatra mandeha amim-pinoana isika fa tsy amin’ny fahatsapana, dia handray ny fanampiana avy amin’Andriamanitra amin’ny fotoana ilantsika izany, ka dia hitoetra ao am-pontsika ny fiadanany. Izany fiainana tsotra feno fankatoavana sy fitokiana izany no niainan’i Enôka. (...)
Eo amin’ny ambaratonga rehetra eo amin’ny fanorenanao ny toetra amam-panahinao dia tokony hanao izay hankasitrahan’Andriamanitra anao ianao. Azonao atao izany; satria i Enôka dia nankasitrahany na dia velona tamin’ny fotoan’andro mivarilavo aza. Mbola misy Enôka koa amin’izao androntsika izao.
Nandritra ny telonjato taona no nikatsahan’i Enôka fahadiovam-po, mba hampirindrana ny fiainany amin’ny lanitra. Nandritra ny telonjato taona no niarahany nandeha tamin’Andriamanitra. Isan’andro no naniriany fatratra hanana fifandraisana ety dia ety amin’Andriamanitra; ary nihaety kokoa hatrany izany firaisana izany, mandra-pandraisan’Andriamanitra azy ho any Aminy. Nijoro teo an-tokonam- baravaran’ny fiainana mandrakizay izy, ka indray mandingana monja sisa ny elanelana nanasaraka azy sy ny tanànan’ireo olo-masina; koa ankehitriny dia nisokatra ny vavahady, ary ilay fiarahana nandeha tamin’Andriamanitra, izay notanterahina nandritra ny fotoana maharitra teto an-tany, no indro fa mitohy. Koa nandingana ny vavahadin’ny tanàna masina izy, ary izy no olombelona voalohany niditra tamin’izany.
Miaraka amin’ny tenin’Andriamanitra eny an-tanany, ny olombelona tsirairay, na manao ahoana na manao ahoana ny mety ho anjarany eo amin’ny fiainana, dia afaka manana fisakaizana tahaka izany, raha izany no ho safidiny. (...) Afaka mitoetra eto amin’izao tontolo izao ao anatin’ny rivo-piainan’ny lanitra izy, ka hizara fisainana feno fanantenana sy faniriana hahazo fahamasinana amin’ireo mijaly sy alaim-panahy eto an-tany, (...) tahaka ilay anankiray fahiny elabe izay niara-nandeha tamin’Andriamanitra, sy nanakaiky kokoa hatrany ny tokonam- baravaran’ny tontolo mandrakizay, mandra-pisokatry ny vavahady ka nidirany tao. Tsy hahatsiaro ny tenany ho vahiny akory izy. Ny feo izay hiarahaba azy tonga soa dia ny feon’ireo olo-masina, dia ireo sakaizany tsy hita maso teto an-tany – feon’ireo izay nianarany navahana sy notiavina fony tety an-tany. Izay nivelona tao anatin’ny fisakaizana tamin’ny lanitra tamin’ny alalan’ny tenin’Andriamanitra, dia hahatsapa ny tenany ho tompon-trano rehefa hiaraka hanandrana ny fisakaizan’ny lanitra manontolo. – CC, t. 31.