"Ary amin'izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany hianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay." — 2 Pet.1:10.
Mofon'Aina:
Io ihany no karazana fifidianana resahina ao amin'ny Baiboly. Mety ho tonga mpiray fomba amin'Andriamanitra sy hahazo fahalalana mihoatra lavitra noho ny an'ny siansa rehetra isika na dia lavo tao amin'ny fahotana aza. Amin'ny fandraisantsika anjara amin'ny nofo sy ny ran 'ny Tompontsika nohomboana teo amin'ny hazo fijaliana dia ho azontsika ny fiainana mandrakizay. Izao no voalaza ao amin'ny Jao. 6:54,63: "Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny rako no manana fiainana mandrakizay; ary Izaho hanangana azy amin'ny andro farany. (…) Ny fanahy no mahavelona; ny nofo tsy mahasoa na inona na inona; ny teny izay nolazaiko taminareo dia fanahy sy fiainana."
Tsy misy olona voatery ho very anjara tsy hahazo ny fiainana mandrakizay. Azo antoka ny fiantsoana sy ny fifidianana ireo izay mifidy ny hianatra isan'andro amin'Ilay Mpampianatra avy any an-danitra.
(...)"Ary amin'izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany hianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay, fa toy izany no hanomezana malalaka ho anareo ny fidirana ho any amin'ny fanjakana mandrakizay, izay an 'i Jesôsy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy antsika." - 2 Pet 1:10,11.
(...) Toky sy fanantenana manao ahoana re izany! Aoka hambarantsika tsy tapaka amin'izao tontolo izao fa mikatsaka ny tsara lavitra isika, dia ny any an-danitra. Natao ho antsika ny lanitra ary maniry hanana anjara amin'izany isika. Tsy misy na inona na inona azontsika avela hampisaraka antsika amin'Andriamanitra sy ny lanitra. Eto amin'ity fiainana ity no tsy maintsy ho mpiray amin'ny fomban'Andriamanitra isika. Ranadahy sy rahavavy isany, fiainana tokana ihany no ananantsika. Aoka re izany mba ho fiainam-pahendrena, miara-miafina amin'i Kristy ao amin'Andriamanitra!
Mila miray saina sy mifanampy isika mba hanatrarantsika ny fahatanterahan-toetra. Amin'izany dia aoka hatsahatra izay rehetra mety ho fitsikerana. Afaka mandroso ho amin'ny fahatanterahana hatrany isika mandra-panokafana midanadana eo anoloantsika ny fanjakan'ny lanitra ho antsika. - HP, t. 29.