"Koa amin'izany diamiendrika mba hatao tahaka ny rahalahiny amin'ny zavatra rehetra lzy, mba ho Mpisoronabe mamindra fo sy mahatoky ny amin' Andriamanitra, mba hanaovany fanavotana noho ny helokt ny olona." -Heb.2:17.
Mijoro eo akaikin’nysez a fiandrianana mandrakizay Iay Zokintsika lahimatoa. Mibanjina ny fanahy tsirairay izay mitodika ho eo Aminy toy ny amin’ny Mpamonjy Izy. Fantany tamin’ny fanandramana nataony izay fahalemen’ny taranak’olombelona; fantany — koa izay ilaintsika sy izay itoeran’ny herin’ny fakam-panahy manjo antsika (...). Manara-maso anao Izy ry zanak’Andriamanitra mangovitra. Alaim-panahy ve ianao? Hanafaka anao Izy. Malemy ve ianao? Hampahery anao Izy, Tsy manam-pahalalana ve ianao? Hampahazava anao Izy. Maratra ve ianao? Hanasitrana anao Izy. «Sady milaza ny isan’ny kintana» ny Tompo no «mahasitrana ny torotoro fo, sy mamehy ny feriny koa» (Sal. 147:4,3).
Na toy inonana toy inona tebitebinao sy fitsapana mihatra aminao, borahy eo anatrehan’ny Tompo izany. Ho voatohana amin-kery ny fanahinao ka hahazaka. Hisokatra ho anao ny lalana hamahana ny tenanao amin’ny zava- tsarotra sy manahirana: Arakaraka ny ahafantaranao ny fahalemenao sy ny tsy fahazoanao manampy ny tenanao, arakaraka izany no hahabe kokoa ny herinao. Arakaraka ny mampahavesatra ny entanao, arakaraka izany no mahabe fitahiana kokoa ny fialan-tsasatra azonao amin’ny fametrahana ny entanao eo amin’Ilay Mpitondra ny entana rehetra.
Mety mampisaraka antsika amin’ny sakaiza rehetra eto an-tany ny toe- javatra, nefa tsy misy elanelan-tany, afaka mampisaraka antsika amin’Iay Mpanavotra avy any an-danitra. Na aiza na aiza misy antsika, na aiza na aiza alehantsika, dia eo ankavanantsika mandrakariva Izy hanampy, hanohana, hihazona sy hamalifaly. Lehibe lavitra noho ny fitiavan’ny reny ny zanany ny fitiavan’i Kristy ireo voavotra. Tombontsoantsika ny mitsahatra ao amin’ny fitiavany, ny manambara hoe: “Hatoky Azy aho, fa Izy nahafoy ny ainy ho ahy.”
Mety miova ny fitiavan’ny olombelona, fa ny fitiavan’i Kristy kosa tsy mba mety miova. Rehefa miantso vonjy Aminy isika dia manatsotra ny tanany Izy hamonjy antsika.
Faniriany ny hahafantarantsika fa niverina ho any an-danitra Izy amin’ny maha-Zokintsika Lahimatoa Azy, ary nomeny mba ho azontsika ampiasaina ny hery tsy misy fetra natolotra azy. — MLT, t. 297.