“Aza matahotra hianao, fa momba anao Aho; ary aza miherikerika foana, fa Izaho no Andriamanitrao; mampahery anao Aho sady mamonjy anao; eny, mitantana anao amin ‘ny tanana ankavanan ‘ny Sahamarinako Aho.” - Isa. 41:10.
Mifandray sy mifanerasera betsaka amin’ireo faritra_tsirairay iadidiany eo amin’ny fanjakany midadasika ny Tompo. Aseho an- tsary Izy miondrika mijery ny tany sy ny mponina ao aminy. Mihaino ny teny tsirairay voatonona Izy. Reny ny fisenton’ny olona, ny vavaka ataony, voadininy avokoa ny fihetsiky ny tsirairay. (...)
Niahy ny vahoakany mandrakariva Andriamanitra. (...) Nampianatra ny mpianany i Kristy fa ny fitsinjovan’Andriamanitra ny voariny dia mifanaraka amin’ny laharana nametrahany azy tamin’ny Famoronana. Nosarihiny ho eny amin’ny vorona manidina ny sain’izy ireo. Tsy misy na dia iray amin’ny tsintsina aza, hoy Izy, ho latsaka amin’ny tany, raha tsy ayelan’ny Rainareo; tsy misy hadinoina eo anatrehan’Andriamanitra ireny (Mat. 10:29; Lio, 12:6). Koa raha ny tsintsina aza ahiany, dia azo antoka fa tena sarobidy eo imason’i Kristy ireo fanahy izay namoizany ny ainy. Voascho teo amin’ny hazo fijaliana ny tombam-bidin’ny olona sy ny lanja omen’ Andriamanitra azy.
Tsy nitsaha-nitombo ny famindrampo sy ny fitiavan’ Andriamanitra ny taranaka lavo, ary tsy mbola niala teto an-tany ny fijeriny.
Marina fa hisy ny fahadisoam- panantenana, tsy azontsika ferana ny fahoriana, kanefa aoka hapetratsika eo an-tanan’Andriamanitra ny zavatra rehetra, na kely na lehibe. Tsy mahavery hevitra Azy ny habetsaky ny olantsika, ary tsy mba mahatrotraka Azy ny havesatry ny entantsika. Manara- maso ny ankohonana tsirairay Izy ary miahy manokana ny isam-batan’olona: manan-danja eo imasony avokoa ny raharahantsika sy ny alahelontsika. Voamariny ny ranomaso tsirairay; mandona ny fony ny fahatsapana ny rofintsika. Avelany hihatra amintsika ireny fahoriana sy fitsapana rehetra ireny mba hahatanteraka amintsika ny tanjom-pitiavany — “mba handraisantsika ny fahamasinany” — Heb. 12:10, ka hanandramantsika ilay havokisam-pifaliana eo anatrehany (Sal. 16:11). — MLT, t. 292.