"Ary noho izany mifalia, ry lanitra sy hianareo izay monina ao aminy. Loza ho an’ny tany sy ny ranomasina! Fa nidina ho aminareo ny devoly sady manana fahatezerana lehibe, satria fantany fa kely sisa ny androny." -Apôk. 12:12.
Mofon’aina:
Hiharan'ny fahatezeran' ilay dragona sy ny mpanompony ireo izay mitandrina ny didin' Andriamanitra sy mitana ny filazana an'i Jesôsy. Ataon'i Satana tahaka ny babo azony izao tontolo izao, ka hanamparany ny fanapahany, na dia eo amin'ireo olona manao ny tenany ho Kristianina aza. (...) Tahaka ny nanomezany fo ireo firenena mpanompo sampy mba handevona ny Isiraely, no hataony koa atsy ho atsy, ary hanao izay tratry ny sainy izy, mba hampiasana ny heri n'ny ratsy rehetra handevonana ny vahoakan'Andriamanitra. Hoterena hankatò ny didi -n'olombelona sy handika ny lalan'Andriamanitra ny olona. Horahonana sy hampangaina ary hovonoina ireo izay mitoetra ho mahatoky amin'ny Tompo. (...)
Ny famindrampon'Andriamanitra no hany famonjena ho azy ireo, ary ny fivavahany no hany fiarovany. Tahaka ny nifandaharan'i Josoa tamin'ilay anjely, no hiadian'ny fiangonana "sisa" amim-pinoana tsy azo hozongozonina, mba hahazo famelan-keloka sy fanafahana amin'ny alalan'i Jesôsy, Mpisolovava azy. Rehefa mahatsapa tanteraka ny heloka vitany ireo zanak'Andriamanitra, dia ho hitany ny fahalemeny sy ny tsy fahamendrehany ka ho kivy izy ireo.
Hijoro manakaiky azy ilay mpaka fanahy hiampanga azy (...). Hiezaka hampifantoka ny sainy eo amin'ny fitafiana maloto anaovany izy, dia ny tsy fahatanterahan-toetrany. Hiezaka hampivarahontsana azy ireo izy amin'ny fampidirana ao an-tsainy ny fiheverana fa mampamoy fo ny toerana misy azy, ary tsy ho azo atao mandrakizay ny hanadiovana ny lotony. Antenainy mantsy fa amin'izany (...) no handevonana ny finoan'izy ireo, ka hampanekena azy amin'ny fakam-panahy sy hialany amin'ny fanarahana an'Andriamanitra ary handraisany ny mariky ny bibidia. (...)
Tsy navela ho eo ambany fanapahan'ny herin'ilay ratsy anefa ireo mpianatr'i Kristy raha sendra nanota. Nibebaka izy ary nitady ny Tompo indray tamim-panetren-tena sy tamin'ny fo torotoro. Koa dia niady ho azy ireo Ilay Mpisolovava (...) ka nanambara hoe: "Hananatra anao anie Jehôvah , ry Satana! Efa nanolotra ny aiko ho an'ireo fanahy ireo aho. Efa vitako tombo-kavatsa eo am-pelatanako ireo." - RH, 9 Janoary 1908.