"Efa nampiteny an 'i Jehovah hianao androany fa ho Andriamanitrao Izy, ka handeha amin 'ny làlany sy hitandrina ny lalàny sy ny didiny ary ny fitsipiny hianao ary hihaino ny feony." - Deo. 26:17.
Mofon’aina:
Aoka isika ho mahatoky sy marina amin'ireo fampianaran' ny lalàn' Andriamanitra. Ambaran'ny Tompo fa raha mankatô ireo fitsipiky ny lalàna isika, dia ho tonga fiainantsika ireny. (...)
Tsy vokatry ny fisainan' olombelona na koa noforonin'i Mosesy ireo fitsipiky ny lalàn'Andriamanitra. Ilay tsy manam-petra amin'ny fahendrena, eny, Ilay Mpanjakan'ny mpanjaka sy Tompon'ny tompo, no namolavola izany, ary Izy no nanonona izany teo Sinay tao anatin'ireo toe-javatra nampiseho fahalehibeazana mahatahotra. Niankina tamin'ny fankatoavana ireo fitsipika ireo ny fahombiazan'ny Isiraely.
"(...) koa tandremo sy araho amin'ny fonao rehetra sy ny fanahinao rehetra ireo." - Deo. 26:16b. Ny didin'Andriamanitra dia tsy nomeny antsika mba hankatoavina amin'ny fotoana tiantsika hanaovana izany, ary hatao tsinontsinona araka izay mahafinaritra antsika. Lalàna mifehy ny fanjakany ireo ka natao hankatoavin'ny olony rehetra. Raha mankatô ny didiny amin'ny fony rehetra ny vahoakany, dia ho vavolombelona izao tontolo izao fa ireo izay mitonona ho vahoakany, izay hareny manokana, dia manome voninahitra Azy tokoa amin'izay rehetra ataon'izy ireo. Ny fahatokiana amin'Andriamanitra sy ny fankatoavana ny Lalàny tsy misy arakaraka no hahatonga ny vahoakany ho fitalanjonan'izao tontolo izao satria hahatanteraka ny teny fikasany feno fahalalahan-tanana amin'izy ireo Andriamanitra ka hahatonga azy ireo hoderain'ny firenena rehetra. Ho vahoaka masina ho Azy izy ireo.
"Koa ankehitriny" hoy i Jehôvah, "raha hihaino ny feoko tokoa hianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra hianareo; fa Ahy ny tany rehetra. Dia ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena masina ho Ahy hianareo." - Eks. 19:5,6. Endrey, mahatalanjona ny fahalehibeazan'ny teny fikasan' Andriamanitra! Ary omena an' izay rehetra mihaino ny Teniny izany, sy izay mino ny fanambarany ary mankatô ny baikony. Ny fankatoavana ny lalàny no fepetran'ny fahasambarana amin'ny hoavy sy mandrakizay. SW, 16 Febroary 1904.