"Tsy nanan-tsiny hianao tamin'ny nalehanao hatramin 'ny andro namoronana anao ka mandra-pahita heloka tao aminao. Noho ny habetsahan 'ny varotra nataonao dia nofenoina loza tao aminao, ka nanota hianao; Ary dia nolotoiko ka nariako niala tamin'ny tendrombohitr 'Andriamanitra hianao, Ary nosimbako hianao, ry kerobima manaloka, hiala tao amin'ny vato mirehitra." — Ezek. 28:15,16.
Mofon’aina:
Tonga lafatra ny fiadanana raha mbola nanjaka tao amin'izay rehetra noharin'Andriamanitra izany fankatoavana amim-pitiavana izany. Ny fahafinaretan'ny vahoaky ny lanitra dia ny miara-miasa amin'Ilay Mpamorona azy hanatanteraka ny fikasany sy hampamirapiratra ny voninahiny ary hihira ny fiderany. Ambony indrindra taminy ny fitiavana an'Andriamanitra ary ny fifankatiavan'izy samy izy dia feno fahadiovana sy fahafoizan-tena. Tsy nisy na inona na inona nanimba izany firindrana mahafinaritra tany an-danitra izany.
Niova anefa io toe-javatra mahasambatra io. Fa nisy anankiray nanimba ny fahafahana nomen' Andriamanitra ny zavaboariny. Teraka tao am-pon'ilay anjely iray izay nomen'Andriamanitra haja sy voninahitra lehibe indrindra manarakaraka an'i Jesosy Kristy ny ota.
Losifera, ilay «zanaky ny maraina», masina, tsy nanan-tsiny, nanompo nivantana ny Mpamorona, tamin'ny voalohany dia feno famirapiratan'ny voninahitr'Andriamanitra satria anankiray tamin'ireo kerobima manaloka. (...)
Norotsirotsin'ny hevitra feno hambom-po tsikelikely teny anefa i Losifera. Nihevitra io anjely mahery io fa ny voninahitra lehibe natolotr'Andriamanitra azy dia efa azy rahateo. Tsy afa-po tamin'ny toerana maha-filohan'ny anjely azy izy fa sahy nitsiriritra koa na dia ny haja amam-boninahitra aza izay mendrika hatolotra ny Mpamorona samirery. Tsy mba nampirisika ny vahoaky ny lanitra hanao an'Andriamanitra ho hany Tokana mendrika hivavahana sy hankatoavina izy, fa nataony kosa izay hitiavan'izy ireo azy sy hanompoany azy amin-toetra mahatoky ary na dia ny voninahitra nomen'Ilay Tsy manam-petra ho an'ny Zanany ho tombontsoan'izy io manokana aza dia sahiny notsiriritina. - PM, U. 8,9, ed. 2014.
Lalàna marina, lalàm-pitiavana, lalàna ambony sy masina, antoky ny fahasambaran'ireo mpanompony izay manompo Azy amim-pifaliana, no fototra iorenan'ny fanjakany. Tsy fankatoavana an-jamba fa entanim-pitiavana sady feno fahatokiana sy feno fiderana no irin'Andriamanitra hananan'ny olony. Tsy azony ekena ny fankatoavana an-terisetra ka izany no nanomezany azy safidy malalaka izay fepetra tena ilaina indrindra eo amin'ny fanompoana an-tsitrapo. — PM, t. 8.