Tsy hoe tia ny rariny ary miantso ny olona ho tia sy hampihatra izany fotsiny Andriamanitra fa asehony amin'ny fomba tonga lafatra sy mafy orina mihitsy izany toetra izany. Mampianatra antsika ny Soratra Masina fa feno sy tanteraka ny fahamasinan Andriamanitra sy ny fahatokiany, ary ny fahamarinany sy ny fitiavany. Miasa araka ny fitiavana sy ny marina ary ny rariny mandrakariva Izy, ary tsy mba manao ratsy na oviana na oviana.
Vakio ny Deo. 32:4 sy ny Sal. 92:15. Inona no ampianarin'ireo andalan-teny ireo antsika momba ny fahatokian'Andriamanitra sy ny fahamarinany?
Ambaran'ireo toko sy andininy ireo miaraka amin'ireo andalan-tSoratra Masina hafa fa mahitsy sy be fitiavana Andriamanitra - "tsy misy tsiny" Izy (Sal. 92:15, ampitahao amin'ny Sal. 25:8; Sal. 129:4). "Tsy manao izay tsy marina Izy; isa-maraina isa-maraina no amoahany ny fitsarany ho amin'ny mazava, ka tsy diso izany; fa ny tsy marina tsy mba mahalala henatra." - Zef. 3:5. Mariho ny fahasamihafana miharihary eo amin'ny toetran'Andriamanitra sy ny toetran'ireo tsy marina.
Fantatr Andriamanitra izay mahasoa indrindra ny olona tsirairay ary izany no iriny ho azy ireo, tsy mitsaha-miasa Izy mba hanomezana ny tsara indrindra ho an'ny rehetra.
Vakio ny Sal. 9:7,8 sy ny Sal. 145:9-17. Inona no ampianarin'ireo toko sy andininy ireo momba an'Andriamanitra?
"Mpitsara marina" ilay Andriamanitry ny Baiboly (Sal. 7:11), ary tsy misy faharatsiana mitoetra eo Aminy (Sal. 5:4). Izao no ampianarin'ny 1 Jao. 1:5: "Andriamanitra dia mazava, ary tsy misy maizina akory ao Aminy." Tsy hoe tonga lafatra fotsiny ny fahatsaran Andriamanitra fa araka ny Jak. 1:13, dia "tsy azon'ny ratsy alaim-panahy Izy (ampitahao amin'ny Hab. 1:13).
Mifandray ety dia ety ny fahatsaran'Andriamanitra sy ny voninahiny ao anatin'izany rehetra izany. Maro ny olona manindrahindra fatratra ny fahefana; Andriamanitra kosa na dia mahefa ny zavatra rehetra aza dia amin'ny fomba marina sy be fitiavana ihany no ampiasany izany fahefany izany. Tsy kisendrasendra ny namaliany hoe: "Izaho hampandalo ny fahatsarako rehetra eo anatrehanao" rehefa nangataka taminy i Mosesy hoe: "Mba ampahitao ny voninahitrao aho." - Eks. 33:18,19.
Nahoana moa ilay Andriamanitra tsara tahaka izany no mamela ny hisian'ny faharatsiana be tahaka izay hita eto amin'izao tontolo izao? Ifanakalozy hevitra ao amin'ny kilasy ny valinteninao.