"Ary tahaka ny nanandratan’i Mosesy ny menarana tany an-efitra no tsy maintsy hanandratana ny Zanak'olona." - Jao. 3:14.
Mofon’aina:
Feno olona nijaly sy niala aina nanerana ny tobin'ny Israely noho ny fanindronan'ny menarana mahafaty. Kanefa niteny avy tao amin'ny andry rahona i Jesôsy Kristy, ary nanome toromarika mba hahasitrana ny olona. Nomena toky izy ireo fa na iza na iza mijery ny menarana varahina dia ho velona; ary tanteraka ny teniny ho an'izay nijery. Fa raha misy olona manao hoe: "Inona no soa azo amin'ny fijerena? Ho faty tokoa aho noho ny fanindronan'ny menarana mahafaty"; raha mbola manohy miresaka momba ny ratrany mahafaty izy ireo, ka milaza fa tsy misy fanantenana, ary raha tsy mankatô amim-pahatsorana, dia ho faty. Fa izay rehetra nijery kosa dia velona. (...)
Tarihina ho amin'Ilay Dokotera lehibe ny saintsika ankehitriny. "Indro ny Zanak'ondrin'Andriamanitra, Izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao!" Raha mbola mijery ny fahotantsika na miresaka sy miferin' aina momba ny fahantrantsika isika, dia hitoetra ny ratra sy ny ferintsika. Rehefa miala amin'ny tenantsika kosa ny fijerintsika, ka mibanjina Ilay Mpamonjy nasandratra isika, izay ihany vao mahazo fanantenana sy mahita fiadanana ny fanahitsika. Miteny amintsika ny Tompo, mibaiko hoe: "Mijere dia ho velona ianareo." "Izay mandray ny fanambarany dia nanisy tombo-kase fa marina Andriamanitra. Fa izay nirahin'Andriamanitra dia milaza ny teniny; fa tsy misy fetra ny fanomezan'Andriamanitra ny Fanahy. Ny Ray tia ny Zanaka ka efa nanolotra ny zavatra rehetra ho eo an-tànany. Izay mino ny Zanaka manana fiainana mandrakizay." — Jao. 3:33-36.
Tsy misy antony tsy tokony hanantenantsika ny famonjena ny fanahintsika. Tao amin'i Jesôsy Kristy no efa vita ny zava-drehetra ho famonjena antsika. Tsy mampaninona izay fahotana vitantsika na tsy fahatanterahantsika; misy loharano voasokatra ho an'ny taranak'i Davida, hanafaka fahotana sy fahalotoana. "Avia ary hifandahatra isika, hoy Jehôvah : Na dia tahaka ny jaky aza ny fahotanareo, dia ho fotsy tahaka ny oram-panala, na dia mangatrakatraka tahaka ny sily aza, dia ho tahaka ny volon'ondry fotsy." Jehôvah no nanao ireo teny ireo. Hanaiky izany ve isika? Hino Azy ve isika? — ST, 2 Avrily 1894.