"Ary mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra." - Efes. 6:18.
Mofon’aina:
Tsy mandeha ho azy ho an'ny olona sasany ny fitiavana zava- panahy, koa ilain' izy ireny ny mampahery tena sy mikolokolo fahazarana mandinika akaiky ny fiainany sy ireo antony manosika azy, ary tokony hovoleny manokana ny fitiavam-pivavahana sy ny vavaka mangina. Re matetika izy ireo miresaka fisalasalana sy tsy finoana, ary mitaredretra eo amin'ny ady mafy ataony amin'ny fahatsapana tsy fahatokiana. Asongadiny loatra ny fanakiviana izay misy fiantraikany amin'ny finoany, ny fanantenany, ary ny herim-pony ao anatin'ny fanarahany ny fahamarinana sy ny fikatsahany fahombiazana eo amin'ny asan'Andriamanitra, hany ka manjary toa misy fahatsarany manokana ny mipetraka eo amin'ny toeran'ny mpiroaroa saina.
Indraindray toa mahafaly azy ireo ny miserantserana eo amin'ny toeran'ny tsy mahatoky sy ny manamafy ny tsy finoany amin'ny toe-javatra rehetra azony atambatra hanamarinana ny fitoerany ao amin'ny haizina. Izao no holazaintsika amin'ny olona toy izany: Tsara kokoa aminao ny midina faingana ka miala amin'ny mandan'ny Ziona, mandra-piovanao fo tanteraka. (...)
Inona anefa no anton' ireny fisalasalana sy haizina ary tsy finoana ireny? Hoy aho hoe: Tsy mahitsy amin'Andriamanitra ireny lehilahy sy vehivavy ireny. Tsy mahatoky na marina amin'ny fanahin'ny tenany aza izy ireo. Nataony ambanin-javatra ny fikolokoloana fiainam-bavaka manokana. Tsy nisaraka tamin'ny fitiavan-tena rehetra sy ny ota ary ny mpanota izy ireo. Tsy nianatra fiainana feno fandavan-tena sy fanoloran-tena ho an'ny Tompontsika izy ireo, ary tsy nanaraka ny ohatry ny fahadiovana sy ny fivavahana ary ny fahafoizan-tena nasehon'i Kristy. (...)
Asa ambony sy masina ny asa tanterahintsika. Ireo izay milaza ny tenany ho mpampianatra ny fahamarinana amin'ireo izay ao anatin'ny haizina dia tsy tokony ho hita ho feno fisalasalana sy fahamaizinana ny tenany. Tokony hanakaiky an'Andriamanitra izy ireo, eo amin'ny toerana izay hananany ny fahazavana rehetra ao amin'ny Tompo. Tsy manana fahazavana izy ireo satria tsy mankatô ny tenin'Andriamanitra; koa teny feno fisalasalana sy fahakiviana no lazainy, kanefa teny feno finoana sy fifaliana masina no tokony ho re. — TFC, b. 2, tt. 513-516.