"Izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin'ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina." Jao. 8:12.
Mofon’aina:
Noraisin’i Jesôsy Tompo ho an’ny Tenany ny endriky ny olona mpanota, nosaronany tamin’ny maha-olombelona ny maha-Andriamanitra kanefa masina tahaka ny an’Andriamanitra izay masina Izy. Tsy ho Mpamonjy ny taranak’olombelona Izy raha toa nahitana fiketronana na koa pentim-pahotana kely. Nitondra ny fahotana Izy, saingy tsy nila nanaovana fanavotana. Iray tamin’Andriamanitra Izy amin’ny fahadiovana sy ny fahamasinan-toetra ka afaka nanao fanavotana ho an’ny fahotan’izao tontolo izao manontolo.
I Kristy no fahazavan’izao tontolo izao. Amin’ny alalany no amirapiratan’ny fahazavana eo anivon’ny haizina ara-pitondrantena. Raha tsy fahazavana Izy dia tsy ho niharihary ny fahamaizinana satria mampiseho ny haizina ny fahazavana. (...) Raha esorina ny fahazavana dia tsy hisy na inona na inona afa-tsy haizina.
Izao no nambaran’i Kristy mikasika ny toerana misy antsika: "Izay manaraka Ahy tsy mba handeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’aina" –Jao. 8:12. Izy mihitsy no Kintan’ny maraina mamirapiratra. Izy no Masoandron’ny fahamarinana, ilay famirapiratan’ny voninahitry ny Ray. (...) Mpitsabo Izy, Mpanasitrana, tonga mba hamerina amin’ny laoniny ny endrik’Andriamanitra izay very noho ny fandikan-dalàna.
Rehefa mitoetra ao amin’ny fanahy amin’ny alalan’ny finoana i Kristy, dia ataony tonga mazava ao amin’Andriamanitra izay tia Azy. Marina tokoa fa maro amin’ireo milaza ho mino ny fahamarinana no manana finoana anarany fotsiny ihany. Tsy mpanatanteraka ny Teny izy ireo. Mitonona ho mpino izy nefa tsy mitondra fiovam-po ho azy ny fitompoan-teny momba izany. (...)
Rehefa mitoetra ao am-po i Kristy, dia miharihary ny fanatrehany. Ny teny sy ny asa soa sy mahafinaritra no maneho ny Fanahin’i Kristy. Hiseho ety ivelany ny toetra mamy, tsy ho hita ny firehetam-po feno hatezerana, ny hamafisan-katoka na ny haratsiam-panahy. Tsy hisy fankahalana ao am-po noho ny tsy faneken’ny hafa na ny tsy fankasitrahany ny hevitra sy ny fomba fiasan’ny teny. (...)
Rehefa mifehy ny fiainana ny fahamarinana, dia misy ny fahadiovana sy ny fahalahana amin’ny fahotana. Tanteraka eo amin’ny fiainana ny voninahitra sy ny fahatanterahan’ny drafitry ny filazantsara. Ny fahazavan’ny fahamarinana no manazava ny tempolin’ny fanahy. (...) – TDG, t. 357.