"Ho an'ny ankohonand rehetra, ny sekoly, my ray aman-dreny, my mpanabe, ary ny ankizy rehetra efa nomena ny fahazavan'ny filazantsara, symiaina ao anatin 'izoo fotoan-tsarotra izao, Ity famontaniana ity, izay napetraka tamin'i Estera mpanjakavavy koa tao anatin 'ilay olana lehibe teo amin'ny tantaran 'ny Isiraely: 'Ary iza no mahalala, fa angamba ho amin'izao andro izao mihitsy no nanandratana anao ho amin'ny fanjakana."-Est. 4:14-FK, L 298
I Estera dia tovovavy jiosy tsara tarchy, zanaky ny mpiray tampo amin'ny ray aman-drenin'i Mördekay, izay nandray azy tao aminy taorian'ny nahafatesan'ireo ray aman-dreniny ka nitia azy ho toy ny zanaka naterany. Nampiasa azy hamonjy ny vahouka jiosy tany amin'ny firenen'i Persia Andriamanitra." (Fanamarihana: ity paragrafy faharoa eto ambony ity dia fampidirana ao anatin'ny resaka momba an'i Estera ao amin'ny Daughters of God, 1. 45, izay tsy nosoratan'i Ellen White, Ireto lahateny roa manaraka ireto kosa dia samy nosoratany.)
"Tamin'ny andro taloha, dia niasa tamin'ny fomba mahatalanjona ny Tompo tamin'ny alalan'ny vehivavy feno fanoloran-tena izay niara-niasa tamin'irco lehilahy nofidin Andriamanitra ho solontenany. Nampiasa ny vehivavy Izy mba hitondrana fandresena lehibe sy manan-danja. Mihoatra ny indray mandeha no nametrahany ny vehivavy hitarika sy niasany tamin'ny alalan'izy ireny ho famonjena ain'olona marobe tao anatin'ny fotoam-pahamchana. Tamin'ny alalan'i Estera mpanjakavavy no nanatanterahan'ny Tompo fanafahana lehibe ho an'ny vahoakany. Tamin'ny fotoana izay niheverana fa tsy hisy fahefana hahavonjy azy ireo, no niatrehan'i Estera sy ireo vehivavy niaraka taminy ny toe-javatra, tamin'ny alalan'ny fifadian- kanina sy ny fivavahana ary ny fandraisana andraikitra haingana ka nitondrany famonjena ho an'ny olony. (...)
"Hampianatra lesona izay hahafahantsika miatrika ny fotoam-pahamchana co amin'ny asa ankehitriny ny fandinihana ny asan'ny vehivavy nifandraika tamin'ny raharahan' Andriamanitra tamin'ny andron'ny Testamenta Taloha. Mety tsy hitana toerana manan-danja sy miavaka tahaka ireo vahoakan' Andriamanitra tamin'ny andron'i Estera isika, kanefa matetika ny vehivavy niova fo no afaka mitana anjara asa manan-danja eo amin'ny toerana ambanimbany kokoa noho ny an'i Estera. Marobe no efa nanao izany ary mbola manao izany."- DG, tt. 45, 46
FANONTANIANA HIFANAKALOZAN-KEVITRA:
- Ny bokin'i Estera dia mametraka fanontaniana maro tsy misy valiny ho antsika, indrindra ny momba ny anjara asan'i Estera tao an-dapan'ny mpanjaka, na dia nasandratra teo amin'ny laharan'ny mpanjakavavy aza izy. Ahoana no hampifandraisantsika ireo singa ireo amin'ny finoany? Moa azontsika atao ve Izany?
- Ireo teny fanta-daza nataon'i Estera hoe: "koa raha tàhiny maty aho dia mały"- Est. 4:16, dia nanakoako an'arivo taona ho ohatry ny fahatokiana, na dia miatrika fahafatesana aza. Ahoana no anehoan'ireo teniny ny toe-javatra hatrehin'ny vahoakan Andriamanitra amin'ny andro farany, rehefa ho tanteraka ireo voalaza ao amin'ny Apok. 13?