Hodinihina mandritra ny herinandro: Sal. 79:5-13; Sal. 88:3-12; Sal. 69:1-3; Sal. 22:1; Sal. 77; Sal. 73:1-20; 1 Pet. 1:17.
Tsianjery: "Nefa ho nataontsika ahoana no fihira ny fihiran'i Jehovah tany an- tany nivahiniana?" - Sal. 137:4.
Tsy voatery handinika lalina ny bokin'ny Salamo akory isika vao hahita fa nosoratana eo amin'ny tontolo tsy lavorary, feno fahotana sy faharatsiana ary fahoriana sy fahafatesana ny Salamo. Tandindomin-doza mandrakariva ny zavaboary izay mitoetra tsara eoambany fanapahan'Andriamanitra sy ny lalàny marina noho ny ataon'ilay ratsy. Mitombo hatrany ny fanimban'ny fahotana an'izao tontolo izao ka tonga "tany fivahiniana" ho an'ny vahoakan'Andriamanitra ny tany. Niteraka olana ho an'ny mpanoratra ny Salamo izany toe-javatra izany: ahoana no ananana fiainam-pinoana eo amin'ny tany fivahiniana?
Araka izay efa hitantsika dia miaiky ny fitsipik'Andriamanitra izay ambony sy ny heriny ary ny fitsarany marina ny mpanao Salamo. Fantatr'izy ireo fa mandrakizay Andriamanitra ary fialofana azo antoka sy mahavonjy amin'ny fotoam-pahoriana. Izany antony izany no mahavery hevitra ny mpanao Salamo (ary iza moa no tsy very hevitra?) eo anatrehan'ny fanginan'Andriamanitra sy ny firoboroboan'ny faharatsiana eo imason'ilay Tompo Mpanjaka sy feno hatsarana. Aseho eo amin'ny valintenin'ny mpanao Salamo eo anatrehan'izay heveriny ho fanginan'Andriamanitra ny toetra miavaky ny Salamo amin'ny maha-vavaka izany. Raha lazaina amin'ny teny hafa, dia maneho ny heviny manoloana izay heveriny ho fanginan'Andriamanitra sy ny fanatrehan'Andriamanitra ny mpanao Salamo.