Raha ny drafitr Andriamanitra tany am-piandohana dia tsy natao hanana mpanjaka olombelona na ny ny Isiraely, tsy natao ho tahaka ireo firenena hafa izay nanana ny mpanjakany izy. Nihena an-dalana anefa ny finoan'ny Isiraelita ka nanjary naniry ho tahaka ny firenena hafa rehetra izy ireo, mba hanana izay ananany koa.
Vakio ny 1 Sam. 8:4-18. Araka ny hevitrao, nahoana izy ireo no nanjary naniry hanana mpanjaka? Alaim-panahy toy izany koa isika; amin'ny fomba ahoana?
Zava-dehibe ny manamarika fa fandavana an'Andriamanitra tsy hanjaka amin'ny vahoakany ny fangatahan'izy ireo mpanjaka. Hatramin'izay dia natao hanatona mivantana ny Mpahary izy ireo, amin'ny alalan'ireo fanompoam- fan pivavahana ao amin'ny fitoerana masina sy ny maro hafa. Ny fangatahany mpanjaka dia hahatonga fahoriana aminy tahaka izay manjo ireo firenena mpanompo sampy, toy ny fanerena hiantafika rehefa misy ady ataon'ny mpanjaka, ny fangiazana, ny hetra, sy ny fijaliana hafa koa. Ho hitany fa ny olombelona mpanapaka dia mirona kokoa ho amin'ny fikatsahana ny tombontsoan'ny tenany fa tsy mitondra amim-pahatsaram-panahy tahaka an'Andriamanitra.
Ankoatra izany, tsy ho azo ovana ilay lamina vaovao: homena ny Isiraely izay nangatahiny, ary rehefa tsapany any aoriana fa fitotonganana no vokatr'izany, dia tsy hisy azo atao. "Ary hitaraina amin'izany andro izany hianareo noho ny mpanjakanareo izay nofidinareo ho anareo, fa Jehovah tsy hamaly anareo amin'izany andro izany." - 1 Sam. 8:18.
Vakio ny Deo. 17:14-20. Mariho fa tsy nilaza Andriamanitra hoe: "Hanome mpanjaka azy ireo Aho" fa ny vahoaka kosa no nanapa-kevitra fa te hanana mpanjaka. Nanome fepetra kosa Andriamanitra ho fiarovana azy ireo amin'ny faharatsian'ny fitondram-panjakan'olombelona - - na dia matetika aza no natao tsinontsinona izany fepetra izany, araka ny hita eo amin'ny tantaran'ny firenena sy ny mpanjakany.
Ny fandinihana ny tantaran'ny Isiraely dia ampy ahitana fa niharatsy tokoa ny toe-javatra teo ambanin'ny fitondran'ireo mpanjaka ireo. Marina fa nisy mpanjaka tsara kokoa noho ny sasany, kanefa na ny "tsara" aza dia nanao fahadisoana maro (eritrereto ny amin'i Davida sy i Batseba). Toe-javatra maro no ahitana fa nifandimby nanjaka teo amin'ny firenena ireo mpanjaka "nanao izay ratsy eo imason'i Jehovah" (jereo ny 1 Mpanj. 11:6; 1 Mpanj. 15:26; 1 Mpanj. 16:30; 2 Mpanj. 3:2, sns.)
Tamin'izany andro izany, na mandraka ankehitriny aza, dia misy teboka iray itovian'ny fitondram-panjakan'olombelona rehetra: olombelona mpanota no mitondra vahoaka mpanota. Mety hisy zavatra manjary ve amin'izany?