Azo heverina fa izay nasain'Andriamanitra nataon'i Hosea mpaminany no iraka hafahafa indrindra nampanaoviny ny mpanompony: ny hampakatra vehivavy janga ho vady! Nampiasa an'i Hosea anefa Izy mba hanampy antsika hahatakatra, araka ny Formba fijeriny, ny alahelo vokatry ny fahotan'ny olombelona sy ny fikomian'izy ireo. Tamim-pitiavana no nifidianan Andriamanitra vady (ny zanak'Isiraely) İzay nijangajanga Taminy. Nahagaga anefa fa nampody azy Andriamanitra ary nanarina azy indray.
Ampitahao ny Hos. 1:2; Hos. 3:1; Apôk. 17:1,2 ary ny Apôk . 18:1-4. Inona ny fijangajangana resahina eto? Inona ny lesona azon'ny flangonana kristianina sintonina avy amin'ny tantaran'i Hôsea? Fomba ahoana no amerimberenan'ny fiangonana ireo fahotana tao amin'ny Testamenta Taloha?
Asehon'ny Baiboly fa hamerina ireo fahadisoana ankapobeny nataon'ny Isiraely tao amin'ny Testamenta Taloha ny fiangonan'i Kristy ao amin'ny Testamenta Vaovao. Nandeha tamin'ny lalan-diso ilay vahoaka nanaovan'Andriamanitra fanekena, talohan'ny nanaovana sesitany azy ireo; nentiny ho ao amin'ilay firenena nanao fanekena tamin'Andriamanitra ny fomba fanao feno fanompoan-tsampin'ireo firenena nanodidina azy. Tamin'ny fiandohan'ny taonjato fahefatra dia nahatsapa ny tombontsoa mety ho azony ny fiangonana kristianina ka nila sitraka tamin'i Constantin amperoran'i Rôma, ary nanasa io amperora io mba handray anjara amin'ny fandaminana ireo fifandonana teo anivon'ny fiangonana. Tao anatin izany toe-javatra tsirairay izany, dia niala lavitra ny fifandraisana tamin'Andriamanitra ny vahoakany mba hitady "vahaolana" manoloana ireo olana nitranga.
Maneho miharihary ny fiezahan'Andriamanitra hampiseho amintsika ny faha-disoantsika sy ny fihetsehampony manoloana izany ny teny nofidiny hampiasaina. Ireo izay efa niharan'ny famitahan'ny vadiny no mety hahatakatra ny alahelo lalina tsapan'i Kristy tany an-dapan'ny lanitra noho ny tsy fahatokiantsika taminy. Azo heverina fa ny haben'ny ezaka nataon'i Hôsea mba hanavotana indray ilay vadiny nania no ampahany mahatalanjona indrindra teo amin'ny tantaran'ity mpaminany ity.
Rehefa mijery ny antso farany atao amin'ny taranak'olombelona isika, ny antso izay atao amin'ny vahoakan'Andriamanitra mba hiala ao BabilôIina, dia tsara ny manamarika fa ny olony no antsoiny fa tsy vahoaka hafa tsy akory. Fantany tsara tokoa izy ireo, ary tiany. Raha mandroso mankamin'ny fotoana ratsy indrindra izao tontolo izao, dia mbola manolotra ny fanavotana izay naloany mba hividianana antsika indray tamin'ny Rany Andriamanitra. Ny hazo fijalian'i Kristy no tokony haneho amintsika, mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra, ny faniriana lalina ao anatin'ny fon'Andriamanitra hamonjy ny vahoakany izay mania.
Amin'ny fomba ahoana no mety hidiran'ny fiangonana amin'ny fijangajangana ara-panahy, eny fa na ny fiangonantsika aza?