Noho ny halehiben'ny famindrampony sy ny fanelanelanana ataony dia mahita fifaliana Andriamanitra na dia amin'ny fihetsika tsara bitika indrindra asetrintsika ny fitiavany aza. Azo isaina ho marina sy ho isan'ny malalan Andriamanitra, izay honina miaraka Aminy mandrakizay ao amin'ny fitiavana tanteraka, ny tsirairay avy amintsika, amin'ny alalan'llay hany mendrika ny hotiavina sy tanteraka amin'ny fahamarinana. lo no fanantenana lehibe hahazoana fanavotana, ny asa ataon'i Kristy ho antsika any an-danitra.
Mety hametra-panontaniana anefa ianao hoe: mety ho isan'izany ve na izaho aza? Ahoana raha tsy ampy ny fahatsarako? Ahoana raha manahy ny amin'ny tsy fahampian'ny finoako aho?
Vakio ny Mar. 9:17-29. Inona no navalin'Andriamanitra ilay lehilahy ao amin'ny tantara? Finoana toy ny ahoana no ampy?
Tsy nahay namoaka ilay demonia ny mpianatra; toa very ny fanantenana rehetra. Kanjo tonga i Jesôsy nilaza tamin'ilay raim-pianakaviana hoe: "Hainao hoe? Ny zavatra rehetra dia hain'ny mino."- Mar. 9:23. Dia an-dranomaso no namalian'ilay rain-drazazalahy hoe: "Mino aho; vonjeo aho ho afaka amin'ny tsi-finoako." - Mar. 9:24.
Mariho fa tsy nilaza i Jesôsy hoe: "Miverena atý amiko rehefa manam-pinoana bebe kokoa ianao." Fa ny antsoantson'ilay raim-pianakaviana kosa, izay nanao hoe: "vonjeo aho ho afaka amin'ny tsi-finoako", dia ampy.
Tsy misy azo atao hahazoana sitraka amin'Andriamanitra raha tsy amin'ny finoana (Heb. 11:6), kanefa eken'i Jesôsy na dia ny finoana kely indrindra aza, ary amin'ny alalan'io finoana io (sy ny fanelanelanana ataon'i Kristy), dia afaka mahazo sitraka amin'Andriamanitra isika. Afaka manao fihetsika ankasitrahan'Andriamanitra isika amin'ny alalan'ny finoana sy ny asa ataon'i Kristy ho antsika, dia tahaka ny raim-pianakaviana faly rehefa mitondra fanomezana ho azy ny zanany na dia tsy misy vidiny aza izany.
Tokony hanaraka ny torohevitr'i Paoly isika araka izany, ka ho tanjontsika ny ho tian’Andriamanitra sy ankasitrahany (2 Kôr. 5:9,10; ampitahao amin'ny Kôl. 1:10; 1 Tes. 4:1; Heb. 11:5). Ary tokony hangataka amin'Andriamanitra isika mba hanova ny fisainantsika hihevitra izay mahasoa indrindra ireo olon-tiantsika, sy hanam-pitiavana ho an'ny hafa koa. "Mifankatiava araka ny fifankatiavan'ny mpirahalahy; mitariha lalana amin'ny fifanomezam-boninahitra. Mazotoa, fa aza malaina, ary aoka hafana fo amin'ny fanompoana ny Tompo. Mifalia amin'ny fanantenana; miareta amin'ny fahoriana; mahareta amin'ny fivavahana. Miantrà ny olona marina araka izay ilainy; mazotoa mampiantrano vahiny," Rôm. 12:10-13.
Raha mandray antsika amin'ny alalan'ı Kristy Andriamanitra, tsy mainka ve tokony handray ny hafa isika? Mibaiko antsika ho tia ny namantsika tahaka ny tenantsika ny didy (Lev. 19:18; Mat. 22:39), ary ny lalàna volamena dia mandidy antsika hitondra ny hafa amin'ny fomba izay fantsika hitondrana ny tenantsika koa. Ahoana no anampian'izany antsika hahatakatra ny hevitra ambara eto?