Vakio ny Asa. 7 sy ny Heb. 11. Inona no ambaran'ny TV ho tanjon' Andriamanitra faratampony ao anatin'ny drafitra itondrany ny vahoakany eo amin'ny tantara?
Fanambarana mahery vaika ny Salamo tantara fa mahatoky amin'ny vahoakany Andriamanitra. Ny tranga tsirairay eo amin'ny tantaran'ny vahoakan'Andriamanitra dia dingana eo amin'ny fitantanan'Andriamanitra ho amin'ny fahatanterahan'ny teny fikasany, dia ny amin'llay Mpamonjy nampanantenaina izao tontolo izao, i Jesôsy Kristy avy any Nazareta. Na ny fitsapana mahamay aza, izay matetika mahavery hevitra ny vahoakan'Andriamanitra sy mahatonga azy hihevitra fa nandao azy ireo Andriamanitra, dia mbola eo ambanin'ny fifehezan'Andriamanitra ihany, ary ao anatin'ny drafi-pitantanany aza, satria Izy no Tompon'ny tantara. Hain'ny mpanao Salamo erỳ ny maneho ity fahamarinana ity: tsy mahasakana an'Andriamanitra tsy hahatoky amin'ny vahoakany sy hanatanteraka ny teny fikasany na dia ny tsy fahatokian'izy ireo aza. Kanefa tsy manana anjara amin'ireo fitahian'ny fanekena kosa ireo izay tsy mety mibebaka, ary ny fiafarany mampalahelo dia fampitandremana farany fa mandringana ny olona ny fiainana tsy misy an'Andriamanitra na manohitra Azy.
"Tsy misy na inona na inona tokony hatahorantsika ny amin'ny hoavy, afa-tsy ny hanadinoantsika ny fomba nitarihan'ny Tompo antsika, sy ny fampianarany teo amin'ny tantarantsika hatrizay lasa izay" - LS, t. 196.
Manoro hevitra ny mpino koa i Ellen White mba hamaky ny Sal. 105 sy 106, "farafahakeliny indray mandeha isan-kerinandro." - TMGW, t. 98.
Hita porofo eo amin'ny tantaran'ny vahoakan'Andriamanitra fa tsy misy tsy tanteraka ny teny fikasana rehetra nataon'Andriamanitra. Mihatra amin'ireo teny fikasany ankehitriny mikasika ny fombany ny isam-batan'olona izany, ary koa ny teny fikasany ny amin'ny hoavy, dia ny fiavian'i Kristy fanindroany, izay hametraka eo amin'ny tany vaovao ny fanjakam-pahamarinana sy fanjakam-piadanan'Andriamanitra.
FANONTANIANA hifanankalozan-kevitra
- Inona avy ireo fitahiana avy amin'ny fahatsiarovana ny fitantanan'Andriamanitra ny vahoakany tamin'ny fomba mahatoky teo amin'ny tantara? Inona no vokatry ny fanadinoantsika na ny fanaovantsika tsinontsinona ireo lesona avy amin'ny lasa? Ahoana no ahafahantsika mampihatra izany foto-kevitra izany amintsika, amin'ny maha-flangonana antsika, izay nantsoina ho amin'ny tanjona tahaka ny niantsoana ny Isiraely fahiny koa?
- Ahoana no andrisihan'ny Salamo antsika hahatsapa ny fiahian'Andriamanitra antsika eo amin'ny fiainana, arykoa hanam-paharetanasy hatoky ny fitantanan'Andriamanitra, na dia rehefa saro-takarina aza ny anton'ny toe-java-miseho?
- Inona no azontsika atao mba hahatonga ny fandinihana ny tantaran'ny vahoakan'Andriamanitra hanana toerana manan-danja eo amin'ny fivavahantsika, na isam-batan'olona na eo anivon'ny fiangonana? Ahoana no ahazoantsika mampitombo ny finiavantsika hilaza amin'ny zanatsika ny tantaran'ny vahoakan'. Andriamanitra farany, dia ny Advantista Mitandrina ny Andro Fahafito?