Vakio ny Sal. 56; ny "Fifaliana ao amin'ny Tompo, toko faha-13 ao amin'ny DHK.
Tahaka ireo mpanao Salamo, dia manontany tena matetika ireo vahoakan'Andriamanitra hatrizay ny amin'ny fomba hihirana ny hiran'i Jehovah any "an-tany nivahianiana". Miatrika fihaikana ny finoantsika ny fanapahan'Andriamanitra; misy fotoana mampivaivay izany, ary mety hanontany tena isika raha toa Andriamanitra mifehy ny toe-javatra tokoa na koa mahery sy tsara araka izay lazain'ny Soratra Masina tokoa Izy.
Matetika ny finoan'ny Baiboly no miteraka fisalasalana sy mampametra-panontaniana antsika kanefa mitondra toky sy fahazoana antoka koa. Mila tsy ho zaka indraindray ny tsy fahazoana antoka sy ny zava-miafina mampitaintaina, indrindra eo anatrehan'ny faharatsiana sy ny toa fanginan Andriamanitra. Kanefa aoka tsy hisalasala ny amin'Andriamanitra sy ny toetrany be fitiavana sy marina ary mendri-pitokiana. Mety tsy hahazo antoka ny amin'ny hoavy ny mpanao Salamo nefa matetika izy ireo no mitodika amin'ny fitiavan'Andriamanitra tsy mandiso fanantenana sy ny Fahatokiany (Sal. 36:5-10; Sal. 89:2,8).
Tokony hanaraka izany ohatra izany koa isika. "Angony ny herinao rehetra mba hiandrandranao fa tsy hiondrehanao hijery ny toe-java-tsarotra; dia tsy ho reraka an-dalana ianao. Tsy ho ela dia hahita an'i Jesôsy ao ambadiky ny rahona ianao, hanatsotra ny Sandriny hanampy anao Izy; ary ny hany ilainao atao dia ny hanatsotra Aminy ny tananao amin'ny finoana tsotra ary koa ny hamela Azy hitarika anao. Rehefa feno fitokiana ianao, amin'ny alalan'ny finoana an'i Jesôsy, dia ho feno fanantenana."- TFC, b. 5, tt. 578, 579.
Tsy mampalemy ny herin'ny vavaka ny fotoana izay "hanafenan'Andriamanitra ny Tavany". Mifanohitra amin'izany aza, nahatonga ny mpanao Salamo handini-tena izany, nahatsiarovany ny famonjen'Andriamanitra tamin'ny lasa ka nitadiavany an'Andriamanitra tamin'ny fiaiken- keloka sy ny fangatahana feno fanetren-tena (Sal. 77:10-12; Sal. 89:46-52). "Mihamatanjaka ny finoana rehefa mifanehatra amin'ny fisalasalana sy ny hery samihafa manohitra azy. Sarobidy lavitra noho ny firavaka lafo vidy indrindra ny fanandramana azo avy amin'ireny fizahan-toetra ireny."-TFC, b. 3, t. 555.
FANONTANIANA hifanankalozan-kevitra
- Toy ny ahoana ny fisalasalana sy tahotra niainan'ny mpanao Salamo teo anatrehan'ny faharatsiana? Inona koa ny adin-tsaina natrehinao ary ahoana no niatrehanao izany? Ahoana no hihazonanao ny finoanao ao anatin'ny fotoana tahaka izany?
- Aiza isika no tokony hitady valinteny rehefa zahan-toetra amin'ny fitsapana ny finoantsika an'Andriamanitra, na koa zahan'ny olona toetra noho ny fisalasalan'izy ireo momba ny fahatsaran'Andriamanitra sy ny Heriny vokatry ny fahorian'izy ireo?
- Ahoana no amalianao ny fanontaniana fametraky ny olona mikasika ny faharatsiana eto amin'ny tontolo nohariana sy tohanan'ilay Andriamanitra Tsitoha izay be fitiavana? Ahoana no anampian'ny hevitra momba ny fifanandrinana lehibe amin'ny famaliana, farafahakeliny amin'ny ampahany, izany fihaikana izany?