Vakio ny boky Sambatra, "Ny tena fahasambarana", t. 10-16; 29-35.
Manohitra ny tsy firaihan'ny olombelona eo anatrehan'ny tsy rariny ny Salamo; maneho fandavana ny ratsy izy. Tsy asesiky ny faniriana hamaly faty fa ny hafanam- po hanome voninahitra an'Andriamanitra kosa ny Salamo. Koa rariny raha faly ny olo-marina rehefa ho hitany ny famalian'Andriamanitra ny ratsy, satria amin'izany fomba izany no anaporofoana amin'izao tontolo izao ny fisian'Andriamanitra sy ny fahamarinany. Manery ny olona hiloa-peo manoloana ny ratsy ny Salamo, ka hikatsaka ny fanjakan'Andriamanitra amin'ny fahafenoany. Omena toky isika ao amin'ny Salamo fa hampahery sy hanafaka antsika Andriamanitra. Hitsangana ny Tompo!
"Raha haratsian'ny olona sy enjehiny hianareo,' hoy i Kristy, dia 'mifalia sy miravoravoa. Nampahatsiahiviny ny mpihaino Azy ireo mpaminany fahiny izay niteny tamin'ny Anaran'ny Tompo, ka notondroiny halaina 'ho fianarana ny fandeferam-pahoriana sy faharetana' - Jak. 5:10 nananan'izy ireny. Maty martiora i Abela, ilay Kristianina voalohany indrindra, zanak'i Adama. Niara-dia tamin'Andriamanitra i Enôka, ary nankahala azy izao tontolo izao. Nendrikendrehina ho mpitompo teny fantatra sy mpamendrofendro vahoaka foana i Nôà. 'Ary ny sasany niaritra fanesoana sy kapoka mafy ary fatorana sy tranomaizina koa.' 'Ny sasany nampijaliana ho faty, nefa tsy nanao izay hahafahany, mba hahazoany fitsanganana tsara lavitra.'- Heb. 11:36,35."- S, t. 33.
FANONTANIANA hifanankalozan-kevitra
- Noho ny alahelo vokatry ny fisian'ny faharatsiana eto amin'izao tontolo izao dia mety hanontany tena ny olona raha manjaka marina tokoa Andriamanitra. Ahoana no hikolokoloantsika ny finoantsika ho mafy orina sy hatanjaka hatrany na dia ao anatin'ny fakam-panahy aza? Izany hoe, inona no tsy maintsy ifantohantsika mba tsy hialan'ny finoantsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra sy ny fahatsarany ary ny heriny? Tokony hanambara inona amintsika momba an'Andriamanitra sy ny toetrany ny hazo fijaliana?
- Nahoana no zava-dehibe ny fianteherana amin'ny Tenin' Andriamanitra sy ny fitsarany fa tsy amin'ny fahendren'olombelona (ny mpitarika, ny rafitra, na ny hetsika sôsialy) sy ny vahaolana entiny mba hisian'ny rariny eto amin'izao tontolo izao?
- Midika inona ny hoe: ny fitoerana masina no toerana isehoan'ny fitsaran'Andriamanitra?
- Ahoana no tokony ho fahatakarantsika ny fiteny henjana hita ao amin'ny Salamo sasany? Ahoana no anampian'ireny fiteny ireny antsika hahazo an-tsaina ny maha-olombelona ireo izay nanoratra izany?