Lohahevitra manan-danja ao amin'ny bokin'ny Apôkalipsy ny fiankohofana. Antsoina hoe "dragona" ilay tompon'ny fiankohofana sandoka sy mpitaona ny olona ho amin'izany (Apôk . 13:2-4), ary tsy kisendrasendra ny amaritana azy ho menarana. Mampahatsiahy antsika mazava ny tao Edena izany, izay nitaoman'ny menarana an'i Adama sy i Eva hanaraka azy ao anatin'ny fikomiany amin'ny Mpahary.