"Mba homen'Andriamanitr’i Jesôsy Kristy Tompontsika, Rain'ny voninahitra, ho anareo ny fanahin 'ny fahendrena sy ny fanambarana amin’ny fahalalana Azy tsara, ary mba hampahiratina ny mason'ny sainareo (...)" Efes. 1:17,18.
"Fa isika tsy nandray ny fanahin'izao tontolo izao, fa ny Fanahy Izay avy amin'Andriamanitra, mba ho fantatsika izay zavatra nomen 'Andriamanitra antsika." - 1 Kôr. 2:12.
"Fa raha misy efa afaka amin'ny fahalotoan'izao tontolo izao noho ny fahalalana tsara an'i Jesôsy Kristy, Tompo sy Mpamonjy, nefa voasingotr’izany indray ka resy, ny farany dia ratsy noho ny voalohany." - 2 Pet. 2:20.