"Efa nampiteny an 'i Jehôvah hianao androany fa ho Andriamanitrao Izy, ka handeha amin’ny làlany sy hitandrina ny lalàny sy ny didiny ary ny fitsipiny hianao ary hihaino ny feony." - Deo. 26:17.
Mofon’aina:
Aoka isika ho mahatoky sy marina amin'ireo fampianaran' ny lalàn' Andriamanitra. Ambaran'ny Tompo fa raha mankatò ireo fitsipiky ny lalàna isika, dia ho tonga fiainantsika ireny. (...)