"Koa ankehitriny, raha hihaino ny feoko tokoa hianareo ka hitandrina ny fanekeko, dia ho rakitra soa ho Ahy mihoatra noho ny firenena rehetra hianareo; fa Ahy ny tany rehetra. Dia ho fanjaka-mpisorona sy ho firenena marina ho Ahy hianareo. " - Eks. 19:5,6.
Mofon’aina:
Manambara ny fahatsaran' Andriamanitra io fanekena io (Eks. 19:1-6). Tsy nitady izany ny vahoaka. Tsy nanolotra ny tanany hifandray amin'Andriamanitra izy ireo, fa Andriamanitra no nanatsotra tamim-pitiavana ny sandriny tsitoha, nanasa azy ireo hisakambina Azy mba ho fiarovana azy ireo. An-tsitrapo no nifidianany vahoaka vao avy nandevozina tany Egipta mba ho lovany, vahoaka izay tsy maintsy nanarina sy nofanina isaky ny indray mandingana. Fanehoam-pitiavana sy fahatsarana lehibe avy amin'ny Tsitoha tokoa izany!
Navelan'ny Tompo handalo zava-tsarotra matetika izy ireo mba hanehoany aminy ny famindrampony sy ny hatsaram-panahiny amin'ny fanafahany azy. Raha mifidy ny tsy hino izy ireo izao, dia ny porofo hitan'ny masony ihany no isalasalany. Hitan'izy ireo ny porofo maha-Andriamanitra velona azy, "Andriamanitra mamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo sy fahamarinana" — Eks. 34:6. Teo anatrehan'ny mponin'ny lanitra manontolo no nanomezany voninahitra ny Isiraely. Notaominy ho eo Aminy izy ireo hanana fifandraisana sy firaisana Aminy ao anatin'ny fanekena.
Telo volana izao no nandaozan'ny zanak'Isiraely ny tany Egipta, ary nitoby teo anoloan'ny tendrombohitra Sinay izy ireo; teo no nanambaran'ny Tompo ny lalàny tamin'ny fomba miezinezina. Tsy niseho tao amin' irony trano mirentirenty nataon'ny tanan' olombelonairony Izy, na tamin'ny fitaovana narafitr' olombelona. Teo amin'ny tendrombohitra avo iray no nanehoany ny voninahiny, izay tempoly noforonin'ny Tenany. Nisandratra avo noho ny hafa rehetra ny tendrombohitra Sinay, teo anivon'ireo tendrombohitra mitomandavana teo afovoan'ny tany efitra. Io tendrombohitra io no toerana nofidin'Andriamanitra hanehoana ny Tenany amin'ny vahoakany.
Tao anatin'ny fahalehibiazana mahatahotra no nisehoany synitenenany tamin'ny feo avo teo anatrehan'izy ireo. Tsy mbola nisy fotoana nanehoany ny Tenany tamin'ny vahoakany tamin'ny fomba manetriketrika toy izany, izay maneho ny maha-zava-dehibe tokoa ny lalàna ho an'ny taona rehetra mifandimby. Irin ' Andriamanitra manokana ny hitandremantsika ny didiny ankehitriny. — MR, b. 1, tt. 105,106.