"Ary amin'ny taranakao no hitahiana ny firenena rehetra ambonin'ny tany, satria nanaiky ny teniko hianao." — Gen. 22:18.
Mofon’aina:
Nohavaozin' Andriamanitra indray tamin' i Abrahama teo amin'ny tendrombohitra Moria, tamin'ny fomba be voninahitra, ny teny fikasana ho an'ny taranany mandritra ny taonjato mifandimby: «Ny tenako no nianianako, hoy Jehovah: satria nanao izany zavatra izany hianao ka tsy niaro ny zanakao, ilay lahitokanao, dia hitahy anao tokoa Aho ary hahamaro dia hahamaro ny taranakao, ho tahaka ny kintana eny amin'ny lanitra sy ho tahaka ny fasika izay any amoron-dranomasina. (...)
Ny asan'ny finoana izay vao avy nasehon'i Abrahama ho ohatra dia mijoro ho toy ny andry afo, manazava ny dian'ny mpanompon' Andriamanitra rehetra hatramin'ny farany. Nandritra ny telo andro, teny am-pandehanana, dia nanana fotoana ampy izy mba hieritreretana sy hisalasalana na hanao na tsy hanao. (...) Olombelona mora azon'ny fahalemena sy mitovy toetra amintsika ihany izy, kanefa, tsy niahotra izy, na nanontany izay fomba hafa indray hahatanterahana ny teny fikasana, rehefa maty Isaka. Tsy niady hevitra akory tamin'ny fony naratra izy. Natoky izy fa marina izay rehetra notadiavin' Andriamanitra, ka dia nankatô ara-bakiteny izy. (...)
Raha nanome baiko an'i Abrahama Andriamanitra mba hamono ny zanany, dia tsy ho fizahan-toetra ny finoany fotsiny izany, fa mba hanehoana indrindra koa tamin'ilay patriarka ny tena votoatin'ny Filazantsara. Ireo andro manjombona feno tebiteby sy hororoho izay lalovany, dia nanampy azy hahatakatra, - dia araka izay zavatra tsapan'ny tenany, - ny halehiben'ny fahoriana izay niaretan'Andriamanitra ho fanavotana ny olombelona. Tsy nisy fizahan-toetra nampangirifiry mafy ny fon'i Abrahama toy ny fangatahana aminy hanolotra ny zanany ho fanatitra. (…)
Porofolehibetoy inona indraymoano mbola ilaina ho mariky ny famindrampo sy ny fitiavan'Andriamanitra? «Jzy Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy nomeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?» - Rôm. 8:32 - PM, tt. 135-137, ed. 2014.