"Ary talanjona ny olona ka nanao hoe: Lehilahy manao ahoana re Io, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza dia manaiky Azy?" - Mat. 8:27.
Mofon’aina:
Sasatry ny asa mafy (...) ny Mpamonjy, tonga izao ny fotoana isintahany (...), nitsotsotra teo amin'ny hazo mafin'ny sambokelin' ireo mpanarato Izy ka renoky ny tory. Tsy ela akory taorian'izay, dia niova ilay andro tony sy nahafinaritra teo. Niangona teo amin'ny lanitra ny raho-mainty matevina, ary nifofofofo teo amin'ny ranomasina ny tafio-drivotra mahery (...). Nilentika ny masoandro, ary nandrakotra ny lanitra teo ambonin'ny rano ny haizin'ny alina. Nipoka mafy tamin'ny sambo ireo onja nisafoaka, nanambana ny hitelina azy isan-tsegôndra. (...) Tsy fantatr' ireo mpanarato (...) izay tokony hatao manoloana izany tafio-drivotra izany. (…)
"Mpampianatra ô, tsy mampaninona Anao va izao hahafatesanay izao?" (...) Namoha an'i Jesôsy tamin'ny torimaso (...) izany hiakiaka nitory fahaverezan-kevitra izany. (...) Tamin'ny fahamendrehan'ny lanitra no nitsanganany teo amin' ilay sambokely tsotran'ireo mpanarato, teo anivon'ny fisafoaky ny tafiotra sy ireo onj a izay niantontatonta tamin'ny vatan-dohantsambo ary ireo tselatra nitsoriadriaka nahatsinjovana ny endriny tony sy tsy nisy tahotra. Natsangany ny Tanany, (...) ary nilaza tamin'ny ranomasina nisamboaravoara Izy hoe: "Mangina, mitsahara." Nitsahatra ny tafio-drivotra, ary tony ireo onja nisafoaka teo. (...) Rehefa izay dia nitodika tany amin'ireo mpianatra i Jesôsy ka niteny mafy azy ireo hoe: "Nahoana no saro-tahotra hianareo? Tsy mbola manam-pinoana va hianareo?" (Mar. 4:38-40)
Fanginana tampoka no nanjaka teo amin'ireo mpianatra. (...) Na i Petera mpirehidrehitra aza dia tsy niezaka hanambara ny fitalanjonana ombam-panajana fatratra nameno ny fony. Nisetra ny loza tahaka ireo mpianatra koa ireo sambokely hafa niara-dia tamin'i Jesôsy. (...) Nisinda ny tahotra rehetra fa efa lasa ny loza. Nampifanakaiky ireo sambokely ny fisafoaky ny tafio-drivotra ka nahita ny fahagagana nataon'i Jesôsy avokoa izay tao an-tsambo. Tao anatin'ny fanginana (...) dia nifampibitsibitsika izy ireo hoe: "Iza moa Ity, fa ny rivotra sy ny ranomasina aza manaiky Azy?" - Mar. 4:41b. Tsy hadinon'ireo izay nanatri-maso izany na oviana na oviana io toe-javatra mahatalanjona io. - SP 2; tt. 307-309.