"Tahaka ny diera mihanahana maniry ny rano an'ony no anirian 'ny fanahiko Anao, Andriamanitra ô. Mangetaheta an 'Andriamanitra ny fanahiko, dia Andriamanitra velona; rahoviana no ho tonga aho ka hiseho eo anatrehan'Andriamanitra?" — Sal. 42:1,2.
"Izay tsy niaro ny Zanani-lahy, fa natolony hamonjy antsika rehetra Izy, tsy homeny antsika miaraka aminy maimaimpoana koa va ny zavatra rehetra?" - Rôm. 8:32.
Mofon’aina: Rehefa nihantona teo amin'ny hazo fijaliana Izy ka nijaly noho ny fahotan'ny olo-meloka, iza no mahatombana ny fitiavan'i Kristy an'izao tontolo izao very? Tsy hay refesina ny fitiavany, mandrakizay.
"Ary mivavaha mandrakariva ao amin'ny Fanahy amin'ny fivavahana rehetra sy ny fangatahana, ka miambena amin'izany amin'ny faharetana sy ny fangatahana rehetra ho an'ny olona masina rehetra." - Efes. 6:18.
"Fa miambena ka mivavaha mandrakariva, mba hahery hianareo ka handositra izany zavatra ho avy rehetra izany ary hitsangana eo anatrehan'ny Zanak'olona." - Lio. 21:36.
"Dia hoy ny mpanjaka tamiko: Mona ary no angatahinao? Dia nivavaka tamin'Andriamanitry ny lanitra aho aloha, dia vao niteny tamin'ny mpanjaka hoe: Raha sitraky ny mpanjaka (..) dia alefaso ho any Joda aho, ho any amin'ny tanana misy ny fasan-drazako mba hanamboarako izany." - Neh. 2:4,5.
"Fa arnin'izany dia hirarvoravo amin'ny Tsitoha hianao ka hanandratra ny tavanao amin'Andriamanitra. Raha mifona aminy hianao, dia hihaino anao Izy; ary ny voadinao dia hefainao." - Joba 22:26,27.
"Anaka, izany zavatra izany no soratako aminareo mba tsy hanotanareo. Ary raha misy manota, dia manana Solovava ao amin'ny Ray isika, dia Jesôsy Kristy, Ilay Marina." - 1 Jao. 2:1.
«Ary Mosesy sy ny Zanak'Isiraely dia nihira izao fihirana izao ho an’i Jehôvah ka nanao hoe: Hihira ho an’i Jehôvah aho, fa avo indrindra Izy; ny soavaly sy ny mpitaingina azy efa nariany ao amin’ny ranomasina. Jehôvah no heriko sy fiderako, fa efa famonjena ahy Izy; izao no Andriamanitro, ka hankalaza Azy aho, dia Andriamanitry ny razako, ka hanandratra Azy aho. » Eks. 15:1,2.