« Ary amin'izany na zovy na zovy no hanaiky Ahy eo anatrehan'ny olona, dia hekeko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra. Fa na zovy na zovy no handà Ahy eo anatrehan'ny olona, dia holaviko kosa izy eo anatrehan'ny Raiko Izay any an-danitra. » - Mat. 10:32,33.
Mofon’aina:
Ahoana àry? Moa ve isika mitory an'i Kristy eo amin'ny fiainan-tsika andavanan- dro? Moa ve isikamitoryAzyeo amin'nyfitafiantsika, ka manao fitafiana (...) tsotra? Moa ve sarobidy eo imason'Andriamanitra ny fihaingoan'ny fahalemem-panahy sy ny fanahy tony ananantsika? Moa ve isika mikatsaka ny hampandrosoana ny asan'ny Tompo? Moa ve mazava ny tsipika mampisaraka anao amin'izao tontolo izao, sa mikatsaka ny hanaraka ireo fironan' izao vanim-potoana mitotongana izao ianao? Moa ve misy fiavahana eo aminao sy ireo araka izao tontolo izao? Moa ve ny toe-tsaina ao amin'ireo zanaky ny tsy fankatoavana ihany no ao anatinao?
O! Raha tsaroantsika fa tonga nahantra i Kristy mba hampanan-karena antsika ny fahantrany, moa ve tsy hikatsaka izay hanomezam-boninahitra ny Anarany isika ary hampandroso ny asany? Tokony hitoetra ao Aminy tahaka ny sampana mitoetra ao amin'ny voaloboka isika; hoy i Jesôsy: "Izaho no voaloboka, hianareo no sampana. Izay miray Amiko, ary Izaho aminy, dia mamoa be izy; fa raha misaraka amiko kosa hianareo, dia tsy mahay manao na inona na inona. (..) Izany no ankalazana ny Raiko, mba hamoazanareo be ka ho tonga mpianatro hianareo." - Jao. 15:5,8.
Raha tanterahintsika izany baikon' ny Tompo izany dia ho samy hafa ny endriky ny raharaha ao amin'ny fiangonantsika, ary tokony ho tsapantsika ny fanetsehana lalin'ny Fanahin'Andriamanitra. (...) Tokony ho an' i Kristy (...) ny fiainantsika, ka rehefa hiseho isika dia mba hiseho hiaraka Aminy amim-boninahitra koa. Tokony hanakaiky an'i Kristy isika, mba hahalalan'ny olona fa miaraka Aminy isika ary nianatra Taminy. (...) Aoka ny masonao hibanjina an'i Kristy. Katsaho ny hanakaiky an'Andriamanitra amin'ny saina feno fanetren-tena. (...)- TDG, t. 139.