"(...) Tsy mandeha amin'ny fihendrena, na manatsatso ny tenin'Andriamanitra izahay; fa amin'ny fanehoana ny marina no ideranay tena amin'ny fieritreretan'ny olona rehetra eo imason'Andriamanitra." - 2 Kôr. 4:2.
Mofon’aina:
Aoka tsy hamaivamaivanina ireo fahamarinana fototra izay natolotry ny Tompo tamin'ny alalan'ny porofo miendrika fahagagana. Feo manambara ny fahamarinana no tokony ho re, izay manohitra ny fisalasalana (...) alefan' ilay fahavalon'ny fahamarinana. Hisy ny fanavaozana, ary haneho fitomboana ao amin'ny fahasoavana ny fampiharana ireo fitsipiky ny fahamarinana avy any an-danitra, satria hampahazava sy hanamasina ny fisainan'ny olombelona ny iraky ny lanitra.
Ny fahamarinana araka izay toetrany tao amin'i Jesôsy, araka izay nitoriany izany (...), dia fahamarinana koa amin'izao androntsika izao, ary azo antoka fa hanavao ny sain'izay mandray azy tahaka ny tamin'ny lasa ihany izany. Hoy i Kristy: "Raha tsy mihaino an'i Mosesy sy ny mpaminany izy, dia tsy hety hino izy, na dia misy mitsangana amin'ny maty aza." - Lio. 16:31.
Tsy maintsy manamboatra ny lalan'i Jehôvah isika eo ambany fitarihan'ny Fanahy Masina (...), ho fanapariahana ny filazantsara ao amin'ny fahadiovany. (...) Amin 'ny alalan'ny fi asana mahatalanj on ' Andriamanitra no hamindrana ny tendrombohitry ny toe-java-tsarotra ka hamarinana izany any an-dranomasina. (...)
Hanao ezaka mba hanehoana ny fahamarinana amin'ny alalan'ny fiainana feno filaminana sy ny resaka mifanaraka amin'ny sitrapon'Andriamanitra ireo izay mitory ny fahamarinana. Raha manao izany izy ireo dia ho tonga mpiaro maherin'ny fahamarinana sy hampihatra tsara izany araka izay nanomezan'Andriamanitra azy. (...)
Antso mba handrosoana no atao: "Anaka, mandehana miasa any an-tanimboaloboko anio." Rehefa ankatoavina izany antso izany, dia ho re sy ho takatry ny olona ny hafatra manan-danja ho an'ireo mponina eto an-tany. Ho fantatry ny olona ny fahamarinana. Hihamandroso hatrany ny asa. Toe-javatra maneho ny fitantanan'Andriamanitra no hita sy ho tsapa, amin'ny fitsarana sy amin'ny fitahiana. Handresy ny fahamarinana. -TDG, t. 195.