"Koa amin'izany na inona na inona tianareo hataon'ny olona aminareo, dia mba ataovy aminy kosa tahaka izany; fa izany no lalàna sy mpaminany." - Mat. 7:12.
Mofonˋaina:
Tonga mba hampianatra antsika i Kristy, tsy izay tokony ho fantatsika sy hinoantsika ihany, fa izay tokony hataontsika koa eo amin'ny fifandraisana amin' Andriamanitra sy amin'ny olombelona namantsika. Mandidy antsika ny fitsipika volamenan'ny rariny mba hanaovantsika amin'ny hafa araka izay tiantsika hatao amintsika. Aoka hobanjinintsika mandrakariva ny momba ny mandrakizay, ka hanao amin'ny tenantsika isika hoe: "olom-boavidin'ny ran'ny Mpamonjy ireo, novidina tamin'ny sandany lafo."
Eo amin'ny fitondrantsika ny namantsika, na mpino izy ireo na tsia, dia tokony hanao aminy araka izay hataon'i Kristy isika, raha eo amin'ny toerantsika Izy. (...) Ny tanjontsika ambony indrindra dia ny ho tonga mpitsabo misiônera ho azy ireo araka ny baikon'i Kristy. (...)
Tsy maintsy mametraka an'i Kristy ho lohalaharana eo amin'izay rehetra ataony ny olona rehetra miditra amin'ny vavahady volamenan'ny tanànan'Andriamanitra. Izany no mahatonga azy ireo ho mpitondra hafatr'i Kristy, ho vavolombelony. Tsy maintsy manao fanambarana mazava sy hentitra izy ireo, fanambarana izay manohitra ny fanao ratsy, ka mampitodika ny olona ho amin'ilay Zanak' ondrin ' Andriamanitra izay manaisotra ny fahotan'izao tontolo izao. (...)
Ny fananganana anaka no hany lalana ahazoantsika manatratra ilay tanàna masina. Tery izany lalana izany, sy ny vavahady hidirantsika, kanefa eo no tsy maintsy hitarihantsika ireo lehilahy sy vehivavy ary ankizy ka ampianarantsika azy ireo mba hahatonga azy ho voavonjy; tsy maintsy manana fo sy fanahy vaovao izy ireo. Tsy maintsy ovana ny faniriana voajanaharin'ny fo. Tsy maintsy havela ny famitahana rehetra, ny hevi-diso rehetra, ary ny fitenenan-dratsy rehetra. Tsy maintsy iainana ny fiainam-baovao izay mahatonga ny lehilahy sy ny vehivavy ho tahaka an'i Kristy. (...)
Ety ny lalana mankany an-danitra, ary ny lalàn'i Jehôvah no mamefy izany. Tsy maintsy mandà ny tenany mandrakariva izay manaraka izany lalana izany. Tsy maintsy mankatô ireo fampianaran'i Kristy izy. (...) Aoka isika tsy hitoky amin'olombelona, fa amin'i Jesôsy Kristy izay efa maty mba hambaboany antsika ho amin'ny fahamarinana. - TDG, t. 108.