Vakio ny Mar. 5:1-20. Inona no azontsika fantarina avy amin'io tantara mahagaga io momba ilay fifanandrinana lehibe ifanaovan'ny tsara sy ny ratsy, ary koa momba ny herin'i Jesôsy?
Hodinihina mandritra ny herinandro: Mar.4:35-41;Sal.104:1-9; Mar. 5:1-43: Nom. 27:17.
Tsianjery: « Nefa tsy navelan’i Jesôsy izy; fa hoy Izy taminy: Modia ihany any an-tranonao ho any amin’ny havanao; ka lazao aminy izay zavatra lehibe nataon'ny Tompo taminao sy ny namindrany fo taminao. » – Mar. 5:19.
"Fa zavatra iray loha no ataoko: manadino izay zavatra ao aoriana ka miezaka hanatratra izay zavatra eo aloha, eny, miezaka hanatratra ny marika aho hahazoako ny lokan'ny fiantsoan'Andriamanitra any ambony [ho any ambony] ao amin'i Kristy Jesosy." Fil. 3:13,14.
« Ary nisy anjelin 'ny Toinpo nilaza tamin’i Filipo ka nanao hoe: Mitsangana, ka mandehana mianatsimo ho any amin lalana midina avv any Jerosalema mankany Gaza, dia efitra izany. Dia nitsangana izy ka lasa nandeha." Asa. 8:26,27.
Vakio ny "Nivoaka ny mpamafy mba hamafy", toko faha-2 ao amin'ny HF.
"Ny fahamasinana marina dia fanoloran-tena ho eo amin'ny fanompoana an'Andriamanitra. lo no fepetra amin'ny fiainana kristianina marina. Mangataka fanokanan-tena tsy misy fepetra amintsika i Kristy, ho amin'ny fanompoana tsy zarazaraina. Ny fo, ny saina, ny fanahy sy ny hery no angatahiny ho an'ny asany. Tsy tokony hankamamiana ny tena. Izay velona ho an'ny tenany dia tsy kristianina.