"Fa na mivily ho amin'ny an-kavanana ianao, na mivily ho amin'ny ankavia, ny sofinao dia handre teny ao ivohonao manao hoe: Ity no lalana, ka andehano." - Isa. 30:21.
Mofon'Aina: Fantatro fa be ny fahorian'ny olombelona noho ny nialany tamin'ny lalana izay nofidin'Andriamanitra harahiny. Mandeha eo amin'ny fahazavan'ny afo izay narehiny ihany izy ireo ka azo antoka fa fahoriana sy alahelo no vokatr'izany. Azon'izy ireo natao anefa ny nidify izany raha toa izy nampilefitra ny sitrapony tamin'Andriamanitra ka namela Azy hifehy ny lalany. (...)
"Iza no Andriamanitra tahaka Anao, Izay mamela heloka sady mandalo ny fahadisoan'ny sisa amin'ny lovany? Tsy mitana ny fahatezerany ho mandrakizay Izy, fa tia famindrampo." - Mika 7:18.
Mofon'Aina: Faly aho fa tsy ny fihetseham-pontsika no porofo maneho fa zanak'Andriamanitra isika. Haka fanahy anao ilay fahavalo ka hanao izay hiheveranao fa nanao zavatra nampisaraka anao amin'Andriamanitra ianao ka tsy tia anao intsony Izy, kanefa ilay Tompontsika dia mbola tia antsika hatrany. (...)
"Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra." - Fil. 4:6.