"Aza manahy na inona na inona; fa aoka ny fivavahana sy ny fifonana mbamin'ny fisaorana no ho entinareo manambara ny fangatahanareo amin'Andriamanitra amin'ny zavatra rehetra." - Fil. 4:6.
Mofon'Aina:
Tsy sitrapon'Andriamanitra ny hivesaran'ny vahoakany ny enta-mavesatry ny fiahiahiana. Tsy mamitaka antsika anefa ilay Tompontsika. Tsy milaza amintsika Izy hoe: "Aza matahotra fa tsy misy loza mananontanona eny an-dalanao." Fantany fa misy ny fitsapana sy ny loza samihafa, ary milaza izany mazava amintsika Izy. Tsy manoso-kevitra ny hanala ny olony tsy ho eto amin'ny tontolo feno fahotana sy faharatsiana Izy, fa mampitodika ny sain'izy ireo amin'ny fialofana azo antoka kosa. (...)
Ahoana no itoerantsika ao amin'ny fisalasalana ka ametrahantsika fanon-taniana raha toa tia antsika i Jesôsy, na dia be fahotana sy manana kilema marobe aza isika? Nanolotra ny Tenany ho antsika Izy mba hahafahany manavotra antsika amin'ny tsy fahatanterahana rehetra ka hanadiovany antsika ho tonga vahoaka miavaka ho Azy, vahoaka izay vonona hanao asa tsara. Tonga teto amin'ny tontolontsika tao anatin' ny olombelona feno fanetren-tena Izy, mba hahalalany ny fahoriana sy ny fakam-panahy izay mivelatra eo an-dalan'ny zanak' olombelona, ary koa mba hahalalany ny fomba hanampiana ireo reraka amin'ny fanolorany fitsaharana sy fiadanana ho azy ireo.
An'arivony anefa no manosi-bohon-tanana ny fanampiany ka mainka aza mifikitra mafy amin'ny enta-mavesatry ny fiahiahiany. Manatona ireo ory Izy ary manolo-tena hanamaivana ny alahelon'izy ireo sy hanasitrana ny fony maratra. (...) Tolorany fifaliana ireo diso fanantenana sy tsy mino ary malahelo ka tarihiny hitodika amin'ny fonenana izay omaniny ho azy ireo. (...)
Isaky ny miposaka ny andro fray dia ny herin'i Jesosy no tokony hiatrehantsika ireo fitsapana sy fakam-panahy ao amin'izany. Raha tsy manao izany isika amin'ny andro iray, dia manampy ny enta-mavesatra ho an'ny andro manaraka ka ho kely ny herintsika. Aoka isika tsy hanemban-drahona ny hoavy amin'ny tsy firaihana ankehitriny, fa hihevitra sy hitandrina amin'ny fanaovana ireo adidy ho fiomanana ny fiatrehana ireo fahamehana hiseho rahampitso. Ilaintsika ny mikolokolo toe-tsaina falifaly. (...) Aoka isika hijery mandrakariva ny lafiny tsara eo amin'ny fiainana ka ho feno fanantenana, ho feno fitiavana sy hanao asa tsara, ary ho faly mandrakariva ao amin'ny Tompo (...). - TMK, t. 225.