"Fa velona sy mahery ny tenin'Andriamanitra ka maranitra noho ny sabatra roa lela, ka manindrona hatramin'ny fampisarahana ny aina sy ny fanahy ary ny tonona sy ny tsoka, ka mahay mamantatra ny eritreritra sy ny fisainan’ny fo." - Heb. 4:12.
"Dia nanokatra ny sain'ireo izy hahalala ny Soratra Masina." - Lio. 24:45.
Mofon'Aina: Irin'ny Tompo ny hananan'ny tsirairay avy amintsika fanandramana lalina sy tsara kokoa mikasika ny fahalalana ny Tompontsika sy i Jesôsy Kristy Mpamonjy. Iriny ny hitomboantsika amin'ny fahalalana - tsy ny zavatry ny tany fa ny zavatry ny lanitra, izay mikasika an'i Kristy ilay Mpitarika antsika velona. Endrey, fahalalana ambony sy lehibe manao ahoana re izany! (...)
"Ary Izaho hangataka amin'ny Ray, ary Izy hanome anareo Mpananatra hafa mba ho eo aminareo mandrakizay, dia ny Fanahin'ny fahamarinana, Izay tsy azon'izao tontolo izao horaisina, satria tsy hitany na fantany; fa hianareo no mahafantatra Azy, satria mitoetra eo aminareo Izy, ary ho ao anatinareo." - Jao. 14:16,17.
"Fa avy aminy no nanaovana anareo ho ao amin'i Kristy Jesôsy, Izay nataon'Andriamanitra fahendrena sy fahamarinana sy fahamasinana ary fanavotana ho antsika." - 1 Kôr. 1:30.
Mariho ny fomba anoritsoritana ny asan'i Jesôsy ho antsika eo amin'ny fitsarana sy ny anjara asantsika: "Tsy manala tsiny ny fahotany Jesôsy fa asehony kosa ny fibebahany sy ny finoany ka mitaky famelan-keloka ho azy lzy. Asandrany eo anatrehan'ny Ray sy ny anjely masina ireo tanany voaratra, ka hoy Izy hoe: Fantatro amin'ny anarany izy. Efa vita tombo-kavatsa eo amin'ny tanako izy.
Vakio ny Heb. 10:9-14. Inona ny fahasamihafana ambaran'io andininy io eo amin'ny asan'ny mpisorona tao amin’ny Fitoerana Masina teto an-tany sy ny asan'i Jesôsy ao amin'ny Fitoerana Masina any an-danitra?