Vakio ny Sal. 8 sy Sal. 100. Ahoana no anehoana an' Andriamanitra sy ny olona ao amin'ireo Salamo ireo? Inona no ambaran'ireo Salamo ireo mikasika ny toetran'Andriamanitra?
Ny Salamo dia manohana amin'ny fomba tsy azo hozongozonina ny foto- pinoana momba ny maha-Mpanjaka an'Andriamanitra. Andriamanitra no namorona sy mihazona ny zavatra rehetra izay noforoniny. Izy no Mpanjakan'izao tontolo rehetra izao, ary manapaka ny tany amin'ny fahamarinana sy ny rariny Izy. Tsara ny lalàny sy ny fitsipiny ary mitondra fiainana ho an'izay mitandrina azy.
Vakio ny Sal. 42:8 sy ny boky "Fanabeazona laistianina". toko faha-17: "Tononkalo sy hira". Inona no ifandraisan'ny vavaka sy ny hira araka ireo lahatsoratra avy amin'ny tsindrimandrin' Andriamanitra ireo?
Vakio ny Sal. 60:1-5. Araka ny hevitrao, amin'ny fotoana toy inona io Salamo lo no mety hatao tonom-bavaka? Amin'ny tomba ahoana no ahatahantsika mahazo tombontsoa avy amin'ny Salamo fitarainana na dia ao anatin'ny fotoam- pifaliana aza isika?
Ny fandraisan'ny olona ankapobeny ny Salamo fitarainana dia vavaka ataon'ireo izay mandalo fotoan-tsarotra, na ara-nofo, na ara-tsaina, na ara-panahy, na izy telo.
Inoana fa nisy ny fotoana izay sammy efa nahatsapantsika rehetra fa toa lavitra antsika ny fanatrehan'Andriamanitra. Iza no tsy efa nanao anakampo hoa, Ahoana no nahatonga izao zavatra izao?
Azo antoka fa efa nandalovan'ireo mpanao Salamo, izay olombelona lahaka antsika koa, izany Marina fa mazana ny fahotantsika no mahatonga ny zava-tsarotra amintsika, kanefa indraindray toa tsy rariny ihany ny fisehon izany, ka mahatsapa isika fa tsy mendrika antsika ny zava-manjo antsika ankehitriny. Averina indray, iza no tsy efa nandalo tamin'izany?