"Fa matoky aho fa na fahafatesana, na fiainana, na anjely, na ireo fanapahana, na zavatra ankehitriny, na zavatra ho avy, na hery, na ny ambony, na ny ambany, na inona na inona amin 'izao zavatra ary rehetra izao, dia tsy hahasaraka antsika amin'ny fitiavan'Andriamanitra izay ao amin'i Kristy Jesôsy Tompontsika." - Rôm. 8:38,39.
Mofon’aina:
Azon'i Kristy natao ny nanalavitra antsika noho ny helotsika, saingy tsy izany fa tonga nonina teto amintsika aza Izy, Izay manana ao Aminy ny fahafenoan'Andriamanitra rehetra, mba ho iray amintsika, mba ho tonga amin'ny fahatanterahana isika noho ny fahasoavany. Tamin'ny fahafatesana mahamenatra sy fijaliana no nanavotany ny olombelona. Fitiavana sy fahafoizan-tena re izany! (...) Tsy misy maharefy ny halalin' izany fitiavana izany. (...) Tian'Andriamanitra haneho ny toetrany sy hanao ny asany ny zanany, mba ho voataona hiray saina amin'Andriamanitra koa ny hafa.
Tonga ota ho famonjena ny taranaka lavo i Kristy Mpamonjintsika, Ilay tonga lafatra tanteraka. Tsy nahalala ota Izy satria tsy nanota, kanefa dia nizaka ny vesatra mahatsiravin'ny helok'izao tontolo izao. Natao sorona ho antsika Izy mba ho tonga zanak'Andriamanitra izay rehetra mandray Azy. (...) Nanao izay hitaomana ny olona rehetra hanatona Azy i Kristy tamin'ny alalan'ny hazo fijaliana. Ny fahafatesany no hany fanantenana hahazoana mamonjy ireo izay latsaka anatin'ny fangidiana noho ny fahotana. Natao handray hery vaovao ara-tsaina sy ara-panahy amin'ny alalan'ny Fanahy Masina ny olona, izay raha miara-miasa amin'Andriamanitra dia ho tonga iray amin'Andriamanitra.
Mba handravana ny sakana napetrak'i Satana eo anelanelan' Andriamanitra sy ny olona dia nanao sorona ampy sy tanteraka i Kristy, naneho fandavan-tena tsy misy toy izany. Nampiseho fahagagana tamin' izao tontolo izao Izy, dia Andriamanitra tonga olombelona sy nanao sorona ny tenany ho famonjena ny olona lavo. Fitiavana mahatalanjona re izany! Mitomany aho eo am-pieritreretana fa maro tokoa ireo izay milaza ho mino ny fahamarinana no milona ao anatin'ny fitiavan-tena (...).
Gaga aho mahita ireo izay mitonona ho Kristianina kanefa tsy manararaotra ny fanomezan'ny lanitra, sy tsy mahita mazava fa ny hazo fijaliana no mitondra famelan-keloka sy mampifandray mivantana ny fo (...) amin'ny Fanahy Masina. UL, t.191.
"Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko, hoy Jehôvah , Tompon'ny maro, ary ho antra azy Aho toy ny olona antra ny zanani-lahy izay manompo azy." - Mal. 3:17.
Mofon’aina:
Vatosoa sarobidin'i Kristy ny Kristianina, novidiny tamin'ny vidiny tsy manam-petra. Natao hamirapiratra ho Azy izy ireo, hampiely ny fahazavan'ny fahatsarany. Ary tsy azony hadinoina fa ny famirapiratana rehetra eo amin'ny toetra kristianina dia noraisiny avy amin'Ilay Masoandron'ny fahamarinana.
Miankina amin'ny fanefena azy ny famirapiratan'ny vatosoan' i Kristy. Tsy manery antsika hotefena Andriamanitra. Anjarantsika ny mifidy na hotefena isika na tsia. Kanefa tsy maintsy manaiky hotefena izay rehetra omena toerana ao amin'ny tempoly. Tsy maintsy ekeny ny hanesorana izay rehetra maranidranitra eo amin'ny toetrany mba ho kanto sy tsara izy, ho afaka haneho ny fahatanterahan-toetran'i Kristy. (...)
Tsy mandany andro amin'ny akora tsy misy vidiny Ilay Andriamanitra Mpanefy. Ny vato sarobidy ihany no tefeny hifanaraka amin'ny lapa. (...) Tsy mora izany tefena izany, mandona ny hambom-pon'ny olombelona. Kapain'i Kristy hiala ny fanandramana izay noheverin'ny olona fa tsara tao anatin'ny avonavony. Esoriny izay rehetra mety ho fanandratan-tena. Kantsanany izay mihoatra rehetra, ary ampandaloviny milina fandamana ilay "vato" ka tomoriny akaiky mba ho afaka avokoa ny marokoroko rehetra. Avy eo dia tarafin'ny Tompo amin'ny hazavana ilay vatosoa ka hitany ao ny endriny. Amin'izay vao hambara ho mendrika hanana toerana ao amin'ny tempoly izany vatosoa izany.
Tsara re izany fanandramana izany! Na sarotra aza izany dia manome tombam-bidy vaovao ho an'ilay vato, ka mahatonga azy hazava sy hamiratra! (...)
Manana mpiasa izay nantsoiny avy tao amin'ny fahantrana sy ny fahamaizinana ny Tompo. Milofo amin'ny raharahany andavanandro izy ireo, tsy dia miakanjo tsara, ary tsy misy vidiny eo imason'ny olombelona. I Kristy kosa mahita zava-tsoa tsy hita fetra ao amin'izy ireo; raha eo an-tanany mantsy ireo dia ho tonga vatosoa sarobidy izay hamirapiratra aoka izany ao amin'ny fanjakan'Andriamanitra. "Ary ho rakitra soa ho Ahy ireny amin'ny andro izay hotendreko" hoy Izy. (...)
Hain'Andriamanitra ny fomba itondrana ny fanahy tsirairay. Tsy mitsara tahaka ny fomba fitsaran'olombelona Izy. — UL, t. 372.
Mety "manenina" ve Andriamanitra? Raha eny, inona no hevitr'izany? Efa hitantsika fa tsy miovaova ny toetran'Andriamanitra. Misy andalan-tSoratra Masina sasany anefa milaza fa "manenina" Andriamanitra. Farafahakeliny ho an'ny olombelona, ny fanenenana dia mifono fanekena ny ratsy natao. Ahoana àry no mahatonga ny toko sy andininy sasany ao amin'ny Baiboly hilaza fa "manenina" Andriamanitra?
Vakio ny Eks. 32:14 ary ampitahao amin'ny Jer. 18:4-10. Ahoana no fahatakaranao ny "fanenenan" ‘Andriamanitra araka ireo fanambarana ireo?
Ao amin'ireo toko sy andininy ireo sy any amin'ny hafa koa no ilazana fa manenina ny amin'ny famaizana Andriamanitra rehefa mibebaka na mifona ny vahoakany. Mampanantena Izy fa raha miala amin'ny lalan-dratsiny ny olona dia tsy hahatrany ny loza izay efa nomaniny hamelezana azy ireo. Lohahevitra iray fahita ao amin'ny Soratra Masina ny fanafoanan'Andriamanitra ny loza saika hamelezany ny olona rehefa mibebaka izy ireo.
Vakio ny Nom. 23:19 sy ny 1 Sam. 15:29. Inona no ampianarin'ireo andalan-teny ireo mahakasika ny hoe manenina na tsia Andriamanitra?
Manambara mazava ireo toko sy andininy ireo fa "tsy olona Izy ka hanenina" -1 Sam. 15:29, ary koa "Andriamanitra tsy mba olona ka handainga, na zanak'olombelona ka hanenina; moa efa nilaza va Izy, ka tsy hefainy? Na efa niteny va Izy, ka tsy hotoviny?" - Nom. 23:19. Ny famakiana ireo toko sy andininy ireo miaraka amin'ny andalan-tSoratra Masina hafa dia mandiso ny fiheverana fa tsy "manenina" na oviana na oviana Andriamanitra; izao kosa no tiany hambara: tsy "manenina" tahaka ny fanenenan'ny olombelona Andriamanitra. Hazoniny mandrakariva ny teny fikasany, ary raha miova arakaraka ny fibebahan'ny olombelona ny Lalany, dia ataony araka ny fahatsarany sy ny Teniny mandrakariva izany. Manenina noho ny loza saika hamelezany ny olona Andriamanitra rehefa mibebaka izy ireo; izany dia noho ny faha-tsarany sy ny fahamarinany ary ny fitiavany sy ny famindrampony.
Inona no hevitry ny fanambaran'ny Baiboly momba ny "fanenenan’Andriamanitra" ? Ino-na no hevitra hampitain’izany momba ny tsy fiovaovan'ny toetran'Andriamanitra sy ny fanolorany tena hifandray amintsika ao anatin'ny fifandraisana anjakan'ny fitia mifamaly, fifandraisana izay manan-danja Aminy tokoa?
"Ary izay mitandrina ny didiny no mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao aminy. Ary izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy, dia ny Fanahy Izay nomeny antsika." 1 Jao. 3:24.
Mofon’aina:
Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian'ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy." — Jao. 14:21. (...)
Raha tsy mety ho vitantsika ny mitandrina ny didin'Andriamanitra dia ho very avokoa izany isika. Kanefa araka ny fanekena natao tamin'i Abrahama, ny fanekem-pahasoavana, dia efa natao ny zavatra rehetra hahazoantsika famonjena. "Fahasoavana no namonjena anareo." "Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany." — Efes. 2:8; Jao. 1:12. (...)
Tsy misy afa-tsy sokajin'olona roa eto amin'izao tontolo izao: ny mpankatò na olo-masina, ary ny mpandika lalàna na olon-dratsy. Rehefa napetraka hoentin'i Jesôsy ny fahadisoantsika, dia nisaina ho olon-dratsy sy natao isan'ny mpanota Izy. Nanjary Mpisolo antsika Izy, antoka ho antsika eo anatrehan'ny Ray sy ny mponin'ny lanitra manontolo. (...) Aoka hibanjina ny fiainan'i Kristy feno fietrena sy ny fahafatesany feno fahoriana isika; fa izay mendrika ny mpanota no natao Taminy. Tonga teto amin'izao tontolo izao Izy, tonga olombelona na dia Andriamanitra aza, mba hosedrain'Andriamanitra. Nanome ohatry ny fankatoavana tanteraka Izy teo amin'ny fiainany, ary amin'izany no ampianarany antsika fa azontsika atao tsara ny mankatò.
Nanoratra toy izao ny apôstôly: "hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana amin'ny fahalalana tsara an 'Andriamanitra sy Jesôsy Tompontsika. Efa nomen’ny herin'Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin'ny voninahiny sy ny fahatsarany; ary izany no nahatanterahany amintsika ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin'ny fomban’Andriamanitra amin 'izany hianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin'izao tontolo izao noho ny filàna." — 2 Pet. 1:2-4. (...) Aoka ho mpiara-miasa Andriamanitra sy ny olombelona, dia hanoatra noho ny mpandresy ny olona lavo, amin'ny alalan'i Kristy Jesôsy. — ST, 24 Avrily 1893.