"Ary izay mitandrina ny didiny no mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao aminy. Ary izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy, dia ny Fanahy Izay nomeny antsika." 1 Jao. 3:24.
Mofon’aina:
Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian'ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy." — Jao. 14:21. (...)
Raha tsy mety ho vitantsika ny mitandrina ny didin'Andriamanitra dia ho very avokoa izany isika. Kanefa araka ny fanekena natao tamin'i Abrahama, ny fanekem-pahasoavana, dia efa natao ny zavatra rehetra hahazoantsika famonjena. "Fahasoavana no namonjena anareo." "Fa izay rehetra nandray Azy dia nomeny hery ho tonga zanak'Andriamanitra, dia izay mino ny anarany." — Efes. 2:8; Jao. 1:12. (...)
Tsy misy afa-tsy sokajin'olona roa eto amin'izao tontolo izao: ny mpankatò na olo-masina, ary ny mpandika lalàna na olon-dratsy. Rehefa napetraka hoentin'i Jesôsy ny fahadisoantsika, dia nisaina ho olon-dratsy sy natao isan'ny mpanota Izy. Nanjary Mpisolo antsika Izy, antoka ho antsika eo anatrehan'ny Ray sy ny mponin'ny lanitra manontolo. (...) Aoka hibanjina ny fiainan'i Kristy feno fietrena sy ny fahafatesany feno fahoriana isika; fa izay mendrika ny mpanota no natao Taminy. Tonga teto amin'izao tontolo izao Izy, tonga olombelona na dia Andriamanitra aza, mba hosedrain'Andriamanitra. Nanome ohatry ny fankatoavana tanteraka Izy teo amin'ny fiainany, ary amin'izany no ampianarany antsika fa azontsika atao tsara ny mankatò.
Nanoratra toy izao ny apôstôly: "hampitomboina ho anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana amin'ny fahalalana tsara an 'Andriamanitra sy Jesôsy Tompontsika. Efa nomen’ny herin'Andriamanitra ho antsika ny zavatra rehetra momba ny fiainana sy ny toe-panahy araka an'Andriamanitra amin'ny fahalalana Ilay niantso antsika tamin'ny voninahiny sy ny fahatsarany; ary izany no nahatanterahany amintsika ireo teny fikasana sady soa no lehibe indrindra, mba ho tonga mpiray amin'ny fomban’Andriamanitra amin 'izany hianareo, rehefa afa-nandositra ny fahalotoana izay eo amin'izao tontolo izao noho ny filàna." — 2 Pet. 1:2-4. (...) Aoka ho mpiara-miasa Andriamanitra sy ny olombelona, dia hanoatra noho ny mpandresy ny olona lavo, amin'ny alalan'i Kristy Jesôsy. — ST, 24 Avrily 1893.