"Mifona aminao aho, Jehovah ô, tsy izao ihany va no efa nolazaiko fony aho mbola tany amin'ny taniko? Fa ny andrao hisy toy izao no nandosirako ho any Tarsisy, satria fantatro fa Hianao dia Andriamanitra mpamindra fo sy miantra, mahari-po sady be famindrampo ary manenina ny arnin'ny loza." - Jônà 4:2. Kanto re izany vavaka nataon'i Jônà izany! Sa ahoana ny hevitrao?
Vokio Jônà 4. Inono ny olan'ity lehilay ity?
Lalina ny fankahalana n'i Jônà ity vahoaka nasain'Andriamanitra nitoriany ity, hany ka naleony maty toy izay ho afa-baraka rehefa tsy ho tanteraka ilay fandringanana nampilazàina azy ho an'i Ninive. Tian'i Jona nahazo an'i Ninive koa ny nanjo an'i Sôdôma sy Gômôra. Nanantena izy fa hihatra tamin'ireto olona mahatsiravina ireto ny fitsarana Andriamanitra, ary nony tsy tanteraka izany dia voadona tanteraka ny sainy ka naleony ho faty toy izay hamela ny tontolony hikoro.
Nananatra an'i Jônà fanindroany Andriamanitra ao amin'ity tantara ity tamin'ny alalan'ny toriteny na tenim-paritra eny amin'ny alalan'ny fanandramana. Tsy voavolavola more foana mantsy ny fomba fijery, ary tsy voaova koa izany noho ny fandrenesana zava-baovao na hafa. Ireo fanandramana eo amin'ny fiainana matetika manova ny fomba fijery ary koa ny fomba fandraisana na lanazavana izany.
Natao hanampiana an'i Jônà hahatsapa ny fahadisoan'ny fomba fijeriny ilay fanandramana vaovao nomen' Andriamanitra azy. Nampaniry hazo tao anatin'ny indray andro tamin'ny fomba mahagaga Andriamanitra, izay nihalehibe ka azon'i Jônà nialokalofana sy nihaino azy tamin'ny hainandro mahamay. Velom-pankasitrahana ery Jônà, tsy an'Andriamanitra izay nanao ilay fahagagana anefa, fa an'ilay zavamaniry. Tsy mba fahasoavana lehibe no nandraisany ilay fahagagana, fa fitahiana mendrika azy, izay mifanaraka amin'ny asa tsara. Nony maty ilay zavamaniry dia niteraka hatezeranasy tsy fitokian-tena tao anatin'i Jônà izany, ary nanjary nameno ny sainy indray ny faniriana hamono tena.
Nanitsy an'i Jônà tamim-pahalemempanahy ny feon' Andriamanitra tao aorian'izany fanandramana izany, nanampy azy hahita ny fahadalany noho ny fanomezany lanja kôkoa ny zavamaniry mihoatra noho ny olona an'arivony, dia lehilahy sy zaza amam-behivavy maro, miaraka amin'ny biby fiompiny.
Tsy nifarana tamin'ny fibebahan'i Jônà ny tantara. Tantara mitohy izay mitodika amin-tsika kosa izany. Raha mihevitra ireo ratsy fanahy sy ny loza be ary ireo tsy misy miraharaha eto amin'izao tontolo izao Andriamanitra, inona no mba ataontsika eo anatrehan'izany?