« Ary nihira fihiram-baovao izy ka nanao hoe: Ianao no miendrika haka ny boky sy hamaha ny tombo-kaseny; fa voavono Ianao, ary ny ranao no nanavotanao ho an'Andriamanitra olona avy tamin’ny fokom-pirenena rehetra sy ny samy hafa fiteny, sy ny olona ary ny firenena rehetra. » Apôk. 5:9.
Mofon’aina:
Manantena ny ho tonga any an-danitra sy ho isan’ny antoko mpihiran’ny lanitra ve isika amin’ny farany? Tahaka ny nidirantsika tao am-pasana ihany no hitsanganantsika avy ao, raha ny toetrantsika no resahina. (...) Izao no fotoana hanasantsika sy hipasohantsika ny fitafiantsika (...).
Nahita ny seza fiandrianan’Andriamanitra i Jaona, ary nisy vondron’olona nanodidina azy. Dia nanontany izy: “Iza moa ireo?” ary izao no valiny: “Ireo no avy tamin’ny fahoriana lehibe, ary ny akanjony nosasany sy nofotsiany tamin’ny ran’ny Zanak’ondry” – Apôk. 7:14. Mitondra azy ho amin'ny loharanon'ny ranon'aina i Kristy, eo no misy ny hazon’aina, eo no misy Ilay Mpamonjy sarobidy. Aseho antsika eto ny fiainana izay mifamatra amin’ny an’Andriamanitra. Tsy misy intsony na fanaintainana, na alahelo, na aretina, na fahafatesana. Fiadanana sy firindrana ary fitiavana no manjaka (...).
Tonga ny fotoana andraisantsika fahasoavana sy hery ary fahafahana, hiezahantsika olombelona mamolavola toetra ho amin’ny fiainana mandrakizay. Raha manao izany isika dia ho hitantsika fa hanompo antsika ny anjelin’Andriamanitra, ary ho mpandova an’Andriamanitra sy mpiara-mandova amin’i Jesôsy Kristy isika. Rehefa haneno ny trompetra farany ka hantsoina ho afaka amin’ny gadrany ny maty, ary hovana ao anatin’ny indray mipi-maso izy, dia hapetraka eo an-dohan’ireo nandresy ny satro-boninahitra mandrakizay. Hosokafana ho an’ireo firenena nihazona ny fahamarinana ilay vavahady voaravaka perila ka hiditra ao izy ireo. Tapitra ny ady.
“Avia hianareo izay notahin’ny Raiko, mandovà ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nanorenana izao tontolo izao” – Mat. 25:34. Maniry izany fitahiana izany ve isika? Iriko izany, ary mino aho fa toa ahy koa ianao. Andriamanitra anie hanampy anao amin’ny adinao eto amin’ity fiainana ity, hahazoanao fandresena isan’andro sy hahatonga anao ho isan’ireo izay manipy ny satro-boninahiny eo an-tongotr’i Jesôsy (...) Aza lavinao ny Mpamonjiko, fa vidiny tsy manam-petra no naloany ho fanavotana anao. – HP, t. 369.