"Tandremo fandrao (...) ho lavo hiala amin’izay iorenanareo; fa mitomboa amin 'ny fahasoavana sy ny fahalalana an Jesôsy Kristy, Tompontsika sy Mpamonjy." - 2 Pet. 3:17,18.
Mofon’aina:
Misy olona te hahazo fanapahana ka mila ny fanamasinan'ny fileferana. Mitondra fiovana eo amin'ny fiainan' izy ireny Andriamanitra, ary angamba aza mametraka azy eo anoloan'ny adidy izay tsy araka ny safidiny. Raha manaiky ny hotarihiny lalana izy ireo, dia homeny fahasoavana sy hery hanaovany asa sarotra ao anatin'ny toe-tsain'ny fileferana sy ny fahatokiana. Hofanina izy ireo mba hitana toerana hahafahany manao fanompoana lehibe indrindra amin'ny alalan'ny fahafaha-manao voafehy tsara.
Manofana ny olona sasany Andriamanitra ka manisy fahadisoam-panantenana sy toa tsy fahombiazana eo amin'ny lalany. Fikasany ny hianaran'izy ireo misetra zava-tsarotra. Mampianatra azy ireo Izy mba hanana fahavononana hamadika ny toe-javatra izay toa tsy mahomby ho fahombiazana.
Matetika ny lehilahy sy ny vehivavy no mivavaka amin-dranomaso noho ireo toe-java-tsarotra sy olana manoloana azy. Kanefa raha hazoniny hatramin'ny farany ny fitokiana nananany hatrany am-boalohany dia hohazavainy ny lalan'izy ireo. Ho tonga aminy ny fahombiazana rehefa mitolona mafy mba hihoatra ny zava-tsarotra toa tsy ho resy izy; ary hitondra fifaliana lehibe izany fahombiazana izany.
Maro no tsy mahalala ny fomba fiasa tokony hanatanterahana ny asan' Andriamanitra, tsy noho izy ireo tsy afa-mianatra, fa noho ny tsy fetezany hilefitra amin'ny dingam-panofanan'Andriamanitra. Voalaza fa tsy nahomby teo amin'ny lafiny ara-panahy i Moaba satria hoy i Jehôvah: "nandry fahizay hatry ny fony izy mbola kely (...) tsy naidina nafindrafindra siny, koa izany no aharetan'ny tsirony ao aminy sy tsy iovan'ny fofony." - Jer. 48:11.
Tokony hiomana ho amin'ny fanatanterahana ny asa izay mampiseho fahalemem-panahy, fandeferana, fahari-po, fahatsorana ary faharetana ny Kristianina. Tokony ho hita ao amin'ny fitsipi-pifehezan'ny Kristianina ny fikolokoloana ireo fanomezana sarobidy ireo, ka rehefa antsoina ho amin'ny fanompoana ny Tompo izy ireo, dia ho vonona hampiasa ny herim-pony sy ny herin-tsainy amin'ny fanampiana ireo efa ho faty [ireo izay mila famonjena] sy ny fitondrana fitahiana ho azy ireny. - MR 8:423, 424.