Vakio "Ny tena fahasambarana", toko faha-2 ao amin'ny boky SAMBATRA.
"Koa hohamarinina sy hohatanjahina amin'ny fibanjinany an'i Kristy izay rehetra mahatsapa ny tena fahantrany am-panahy ary mahatsiaro fa tsy misy na inona na inona tsara ao aminy. Hoy ny Tompo: 'Mankanesa aty amiko hianareo rehetra izay miasa fatratra sy mavesatra entana Mat. 11:28. Mangataka anao hanakalo ny fahantranao amin'ny haren'ny fahasoavany Izy. Tsy mendrika velively ny holalain Andriamanitra isika, fa i Kristy, Ilay Tokintsika, no mendrika, sady afaka tanteraka hamonjy izay rehetra manatona Azy. Na toy inona na toy inona haratsin'ny toe-piainanao tamin'ny lasa, ary na manao ahoana na manao ahoana haben'ny hakivianao mahita ny ankehitriny, raha mety manatona an'i Kristy amin'izao toetranao malemy sy osa ary very hevitra izao ianao, dia hanoro lala-malalaka hahafahanao Ilay Mpamonjy tia, ka hisakambina anao amin'ny sandrim-pitiavany, ary hanafy anao amin'ny akanjom-pahamarinany. Voatafy akanjo fotsy no hitondrany antsika miseho eo anatrehan'ny Rainy. Ilay toetrany madio hitondranyantika hoy toyizao ny fitarainany: 'Ray marina ô tsy misy pentina mihitsy nisolo voina an'ity mpanota ity Aho. Aza ny firenireneny no jerenao, fa İzaho jerena. Eny, na dia hiantsoantso hiampanga antsika aza i Satana, ka hitory antsika ho mpanota, ary hilaza antsika ho zanany, ny ran'i Kristy dia manan-kery be lavitra hiady ho antsika." - S, tt. 12, 13.
FANONTANIANA hifanakalozan-kevitra
1. Jereo ny fanambaran'ny Fanahin'ny Faminaniana etsy ambony momba ny fanehoana antsika eo anatrehan'ny Ray noho ny amin'i Jesôsy. "Voatafy akanjo fotsy no hitondrany antsika miseho eo anatrehan'ny Rainy. Ilay toetrany madio tsy misy pentina mihitsy no atafiny antsika." Mety ho kivy isika indraindray noho ireo fahadisoana sy tsy fahatanterahantsika, na koa matetika isika no tsy maneho amin'ny hafa ny fitiavana izay arotsak'Andriamanitra amintsika, nahoana anefa isika no tokony hahatsiaro mandrakariva ny vaovao mahafaly fa eken'ny Ray isika satria i Jesôsy no mampitafy antsika Ilay toetrany madio tsy misy pentina?
2. Alao sary an-tsaina ny fihetsehampon'ilay renim-pianakaviana tao anatin'ilay tantaran'ny vehivavy anankiroa nankeo amin'i Sôlômôna mba hilaza fa azy ilay zaza teny an-trotroany. Diniho indray ny fomba fiteny feno fihetseham-po ao amin'ny 1 Mpanj. 3:26. Ahoana no anasongadinan'izany ny fomba fiteny ampiasaina hoenti-milaza ny fihetsehampon'Andriamanitra manoloana ny olony, ao amin'ny Hös. 11:87
3. Hitantsika manerana ny Filazantsara fa matetika i Jesôsy no onena ny vahoaka noho ny fahorian'izy ireo. Inona no nataony teo anatrehan'izany? Nataony izay hanomezana ny zavatra nilain'ny olona. Inona avy ireo fomba azonao atao, ianao manokana na ny kilasinao, mba hanomezana ny zavatra ilain'ireo mila fanamaivanana?