"Raha misy olona ta-hanao ny sitrapony, dia hahalala ny amin'ny fampianarana izy, na avy amin'Andriamanitra izany, na miteny ho Ahy Aho." Jao. 7:17.
Mofon’aina:
Talohan'ny hiatrehan'i Jesôsy ilay adiny farany amin'ny herin'ny maizina dia niandrandra ny lanitra Izy ary nivavaka ho an'ny mpianany. (...)
Ny mba hiarovana izay mino Azy amin'ny ratsy eo amin'izao tontolo izao, ary ny hanamasinana azy ireo amin'ny fahamarinana no votoatin'ny fangatahan'i Jesôsy. Tsy navelany haminavina ny atao hoe fahamarinana isika fa nampiany hoe: "ny teninao no fahamarinana." (Jao. 17:15-17). Ny tenin'Andriamanitra no fitaovana hanatanterahana ny fanamasinana antsika.
Zava-dehibe tokoa, araka izany, ny hahafantarantsika tsara ny fampianarana masin'ny Baiboly. Tena ilaintsika ny mahatakatra ny tenin'ny fiainana, tahaka ny nilan'ireo mpianatra voalohany nahafantatra ny drafi-pamonjena. Tsy hanana fialan-tsiny isika raha tsy mahafantatra ny fanambaran'ny Tenin'Andriamanitra noho ny tsirambina ataontsika. Efa nomen'Andriamanitra antsika ny teniny, ny fanambarana ny sitrapony, ary nampanantena ny Fanahy Masina ho an' izay mangataka Azy Izy mba hitari-dalana azy ireo ho amin'ny marina rehetra; ary ny fanahy tsirairay izay maniry marina hanao ny sitrapon' Andriamanitra dia hahalala ny amin'ny fampianarana. (...) BLJ 38.4.
Hatramin'ny andro nandravan 'ny Zanak'Andriamanitra ireo hevitra nibahana mialoha sy ny tsy finoan'ny olombelona, dia tsy niova ny fihetsik'izao tontolo izao manoloana ny fivavahana. Ny fanoherana sy ny fanalam-baraka tamin' izany andro izany ihany no tsy maintsy atrehin'ireo mpanompon'i Kristy koa izao, ka tsy maintsy mivoaka "eo ivelan'ny toby" izy ireo "mitondra ny latsa izay nentiny." – Heb. 13:13. (...)
Mazava sady feno ny fampianaran'i Jesôsy. Naharesy lahatra ny fahamarinana tsotra nambarany, ary nisarika ny fahalianan'ny vahoaka. Vahoaka be no nanaraka Azy, talanjona noho ny fahendreny. Nifanaraka tsara tamin'ireo fahamarinana lehibe notoriny ny toetra amam-pihetsiny. Tsy azo nihodivirana, tsy nisy isalasalana, tsy azo niadian-kevitra fa tsy maintsy ho izay nolazainy no marina fa tsy misy ankoatra izany. Tamim-pahefana no niresahany momba ny eto an-tany sy ny any an-danitra, momba ny olombelona sy momba an'Andriamanitra; "dia talanjona ny vahoaka noho ny fampianarany, satria nampianatra azy toy izay manana fahefana lzy" – Mat. 7:28,29. – RH, 7 Febroary 1888.