"Mifohaza sy mihobia, hianareo izay mandry ao amin'ny vovoka; fa ny andonao dia tahaka ny andon'ny fahazavana, ary ny tany hiteraka ny maty." - Isa. 26:19.
Mofon’aina:
Mivembena ny tany, mitsoriadriaka ny helatra, mirefodrefotra ny varatra, ary re ny feon'ny Zanak'Andriamanitra miantso hifoha ny olo-masina matory. Mijery ny fasan'ny marina Izy ka manandratra ny tanany ho amin'ny lanitra, ary miantso hoe: "Mifohaza, mifohaza ianareo izay matory ao amin'ny vovoka, ary mitsangana!".Eran'ny vazan-tany rehetra no handrenesan'ny maty io feo io, ary izay mandre dia ho velona. Koa dia ho re eran'ny tany ny fikatrokatroky ny tafika faran'izay lehibe avy amin'ny firenena rehetra, ny fokom-pirenena, ny samy hafa fiteny ary ny olona rehetra. Mivoaka avy amin'ny tranomaizin'ny fahafatesana izy ireny, mitafy voninahitra mandrakizay, ary miantso hoe: "Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô , aiza ny fanindronanao?" - 1 Kôr. 15:55. Ampiraisin'ny marina velona sy ny olo-masina nitsangana tamin'ny maty ny feony manao hobim-pifaliana sy fandresena.
Izay rehetra mivoaka ny fasana dia mitovy tsanganana tamin'ny fony izy ireo niditra tao am-pasana. (...) Nefa samy mitsangana amin'ny hery sy ny tanjaky ny fahatanorana mandrakizay izy rehetra. (...) Ny endrika mety maty, mety lo, tsy maha-te ho tia, efa voaloton'ny fahotana teo aloha, dia manjary tonga lafatra, kanto ary tsy mety maty. Navela tao am-pasana ny kilema sy ny sampontsampona rehetra.
Vetivety toy ny indray mipi-maso no hanovana ny marina mbola velona. Nomem-boninahitra izy tamin'ny fandrenesana ny feon'Andriamanitra, ary ankehitriny dia atao tsy mety maty intsony izy ary entina hitsena ny Tompo eny amin'ny habakabaka miaraka amin'ny olo-masina natsangana tamin' ny maty. Angonin'ny anjely avy amin'ny vazan-tany efatra ireo olom-boafidin'Andriamanitra."
Rehefa miala avy eo amin'ny vovoka natoriany ny zaza madinika mitafy tsy fahafatesana, dia hihazakazaka ho eny an-tsandrin'ny reniny.
Tafaray ny mpisakaiza nosarahin'ny fahafatesana ela, tsy hisaraka intsony, ary mandredona hiram-pifaliana izy ireo raha miara-miakatra ho any amin' ny tananan'Andriamanitra. — Ma, t. 299