"Tahaka ny fiantràn'ny ray ny zanany no fiantran'i Jehôvah izay matahotra Azy." - Sal. 103:13
Mofon’aina:
Ento eo amin'ny resaka ifanaovanao amin'ny hafa ny tara-masoandron'ny lanitra. Amin'ny fanaovana teny mampahery sy manokana ny hafa no hanehoanao fa mitoetra ao amin'ny fanahinao ny fahamarinan'i Kristy. Mila teny mahafinaritra ny zanaka. Zava-dehibe ho an'ny fahasambaran'izy ireo ny fahatsapany ny fanekena azy. Miezaha mafy mba handresy ny fomba fiteny mivatravatra, ary mikolokoloa feo malefaka. Raiso ny fahatsarana hita ao amin'ireo leson'ny Tenin'Andriamanitra, ary kolokoloy ho toy ny zava-manan-danja iankinan'ny fifaliana sy ny fahombiazan'ny fiainan-tokantranonao izany. (...)
Tsy mamirapiratra ety ivelany amin'ny fotoana manokana fotsiny ny tena fahatsaran-toetra; miseho amin'ny toe-javatra rehetra ny fahasoavan'i Kristy izay mitoetra ao amin'ny fanahy. (...) Tokony hiaina ny fiainan'i Kristy isika, ao an-tokantrano, any ivelany, ao am-piangonana. Fanahy maro eny rehetra eny no mila fiovam-po. Rehefa voasoratra ao am-po ny lalàn'Andriamanitra, ary miseho amin'ny toetra masina, dia ho voatarika haniry izany ireo mahalala ny herin'ny fahasoavan'i Kristy ka hiova fo.
(...) Ny fisaintsainana momba ny fanapahan-kevitra raisina any an-danitra amin'izao ankehitriny izao dia tokony handrisika ny ray aman-dreny hampianatra ny zanany hanana fahatahorana sy fitiavana an'Andriamanitra. Tsy ny teny mahery sy ny famaizana noho ny fahadisoana no ahavitana izany indrindra, fa amin'ny fiambenana sy ny fivavahana mba tsy ho azon'ny fandrik'ilay fahavalo izy ireo. (...)
Tokony ho vonona hanao asa manokana ny vahoakan'Andriamanitra. Ny ankizy sy ireo olon-dehibe ao amin'ny fianakaviana dia samy asaina manao ny anjarany amin'ny fikatsahana hamonjy ireo efa ho very. (...)
Ilain'ny ray aman-dreny ny mahatakatra bebe kokoa sy manome voninahitra ny andraikitra napetrak’Andriamanitra hosahaniny, dia ny haneho Azy amin'ireo zanaka. Arakaraka ny toetra asehon'ny ray aman-dreny amin'ny fifandraisana eo amin'ny fiainana andavanandro no haneho amin'ny zanaka ny hevitr'izao tenin'Andriamanitra izao: "Tahaka ny fiantràn'ny ray ny zanany no fiantran’i Jehôvah izay matahotra Azy" Sal 103:13. "Tahaka ny olona ampiononin-dreniny no hampiononako anareo." Isa. 66:13. - RC, t. 185.