"Antsoy Aho, dia hovaliako hianao ka hampisehoako zavatra lehibe sy saro-pantarina izay tsy fantatrao." — Jer. 33:3.
Mofon’aina:
Tsy azontsika an-tsaina fa ny fanamasinana izay irintsika fatratra sy itolomantsika amim-bavaka dia tanteraka amin'ny alalan'ny fahamarinana sy ny fitondran' Andriamanitra, amin'ny fomba izay tsy ampoizintsika indrindra. Raha mitady fifaliana isika, indro tonga ny alahelo. Raha manantena fiadanana isika, dia matetika manjary miahiahy sy be fisalasalana satria tojo zava-tsarotra izay tsy azontsika ialana. Ao anatin'ireny zava-tsarotra ireny no misy ny valim-bavaka andrasantsika. Tsy maintsy arehitra amintsika ny afon'ny fahoriana mba hahatonga antsika ho voadio, ary tsy maintsy ampifanarahana amin'ny sitrapon'Andriamanitra ny sitrapontsika. (...) Mety hahatonga alahelo sy fitsapana lehibe indrindra amintsika ireo malalan'ny fontsika eto an-tany. (...) Mety ho diso hevitra momba antsika izy ireny ka mahita fa mamitaka isika ary mitotongana ny fiainantsika satria manaraka ny feon'ny fieritreretana nohazavain'ny Fanahy Masina isika, ka mikatsaka ny fahamarinana toy ny harena nafenina. (...)
Mety handalo fitsapana sy fizahan-toetra isika satria hitan'Andriamanitra fa mahasoa antsika indrindra ny hampandalovina fanitsiana, vao afaka mandray ny fitahiana katsahintsika fatratra isika. Aoka tsy ho kivy isika na ho resin'ny fisalasalana ka hihevitra fa tsy nohenoina ny vavatsika. (...) Tsy nanome toky Andriamanitra fa handrotsaka fitahiana amintsika amin'ny alalan'ny fantsona izay nofidintsika. Hendry loatra Izy ka tsy hanao fahadisoana, ary mihevitra izay mahasoa antsika loatra Izy ka tsy hamela antsika hisafidy araka izay saim-pantatsika.
Ny drafitr'Andriamanitra hatrany no tsara indrindra, na dia tsy voatery ho takatry ny saintsika mandrakariva aza izany. Aniin'ny alalan'ny asa mafy sy ny tolona ary ny fandavan-tena ihany no mety hahazoana ny fahatanterahan-toetra kristianina. (...)
Sarobidy tsy hay tombanana tokoa ny fanomezan'Andriamanitra — ny fahasoavan'ny Fanahiny — aoka tsy hihemotra isika na mangirifiry sy mampietry antsika toy inona aza ny fisedrana sy ny fizahan-toetra. Ho mora tokoa ny lalana mankany an-danitra raha tsy misy fandavan-tena sy hazo fijaliana! Hirohotra ho any ireo olona araka izao tontolo izao sy ny mpihatsaravelatsihy! Misaora an'Andriamanitra noho ny hazo fijaliana sy ny fandavan-tena. Tsy hampaninona ireo izay novonjena sy navotana tamin'ny rany ny miaritra ireo fahoriana sy fahafaham-baraka niaretan'ny Mpamonjintsika. — UL, t. 109.