Ampitahao amin'ny Dan. 7:25 ny Apôk. 11:3 sy ny Apôk. 12:5, 6, 14, 15. Inona ireo fitoviana hitanao ao amin'ireo vanim-potoana ara-paminaniana ireo?
Ireo vavolombelona roa dia "haminany enim-polo amby roan-jato amby arivo andro (...), sady hitafy lamba fisaonana" (Apôk. 11:3). Izany dia ilay vanim-potoana roa amby efapolo volana izay hanitsahan'ny "Jentilisa" (ireo izay manohitra ny fahamarin'Andriamanitra) ny tanana masina (Apôk. 11:2). Manitsaka ny fahamarinan'Andriamanitra mandritra ny 1260 andro (42 x 30 = 1260, ny andro tsirairay dia tandindon'ny taona iray ao amin'ny faminaniana apôkaliptika) ireo fahavalon'Andriamanitra, ary ireo vavolombelon'Andriamanitra roa - ny Testamenta Taloha sy Vaovao - dia maminany hamely azy ireo mandritra io vanim-potoana io ihany.
Araka ny efa hitantsika (jereo ny lesona fahefatra), ny Dan. 7:25 dia milaza fa ny fahefan'ilay tandroka kely izay ho teraka avy amin'ny fizarazaran'ny Fanjakana r6manina dia hanenjika ny vahoakan'Andriamanitra "ambara-pahatapitry ny fetr'andro iray sy ny fetr'andro roa ary ny antsasaky ny fetr'andro". Ny "fetr'andro" iray dia taona iray (360 andro). Araka izany, ny fetr'andro telo sy tapany dia midika ho 1260 andro. Ny Apôk . 12:6,13 dia miresaka momba ny 1260 andro anenjehana ny vahoakan'Andriamanitra.
Ny Apôk. 12:14 dia miresaka momba ny fetr'andro iray sy ny fetr'andro roa ary ny antsasaky ny fetr'andro. Ny Apôk. 13:5 dia miresaka momba ny 42 volana. Hitantsika miaraka ny 42 volana sy ny 1260 andro ao amin'ny Apôk. 11:2,3. Vanim-potoana ara-tantara iray ihany, izay manana lafiny samy hafa, no resahin'ireo faminaniana rehetra ireo.
Rehefa hamaivanina ny fahefan'ny Soratra Masina dia ny fahefana hafa (an'olombelona) no mitsangana ho solony. Izany matetika dia mitarika ho amin'ny fanenjehana ireo mpiaro ny Tenin'Andriamanitra, izay nitranga tamin'ny vanim-potoana nanjakan'ny papa tamin'ny taona 538 hatramin'ny taona 1798 rehefa latsaka tao amin'ny haizina ara-panahy lalina ny fiangonan'ny Vanim-potoana Antenantenany. Nisolo toerana ny didin'Andriamanitra ny didin'olombelona. Nanaloka ny fahatsoran'ny Filazantsara ireo fombafomban'olombelona. Nikambana tamin'ny fahefam-panjakana mba hanitatra ny fahefany tao Eorôpa manontolo ny fiangonan'i Rôma.
Nandritra ireo 1260 taona dia nitafy lamba fisaonana ny Tenin'Andriamanitra —ireo vavolombelona roa. Nototofana tamin'ny Iovantsofina sy ny fombafomba maro ny fahamarinan'ireo. Mbola naminany hatrany anefa ireo vavolombelona roa, nanohy niteny ny Baiboly. Na dia teo anivon'ireo haizina ara-panahy ireo aza dia voatahiry ny Tenin'Andriamanitra. Tao ireo nankamamy izany ka niaina araka ny fitsipiny. Saingy raha nampitahaina tamin'ireo vahoaka marobe tao Eoropa dia vitsy an'isa izy ireo. Nahatoky tamin'ny Tenin'Andriamanitra araka ny nahatakarany azy ireo Vaudois, i Jean Huss, Jerome, Martin Luther, Ulrich Zwingli, Jean Calvin, John sy i Charles Wesley ary ny mpanavao fivavahana maro hafa.
Inona avy ireo fampianarana ankehitriny hazonin'ny Kristianina maro izay miorina amin'ny lovantsofina fa tsy amin'ny Tenin'Andriamanitra?