"Ary amin'izany dia mazotoa kokoa, ry rahalahy, hampitoetra ny fiantsoana sy ny fifidianana anareo; fa raha manao izany zavatra izany hianareo, dia tsy ho tafintohina akory mandrakizay." - 2 Pet. 1:10.
"Ary izay mitandrina ny didiny no mitoetra ao aminy, ary Izy kosa ao aminy. Ary izao no ahafantarantsika fa mitoetra ao amintsika Izy, dia ny Fanahy Izay nomeny antsika." 1 Jao. 3:24.
Mofon’aina: Izay manana ny didiko ka mitandrina izany, dia izy no tia Ahy; ary izay tia Ahy no ho tian'ny Raiko, ary Izaho ho tia azy ka hiseho aminy." — Jao. 14:21. (...)
"Fa hoy Samoela: Sitrak'i Jehôvah moa ny fanatitra odorana sy ny fanatitra hafa alatsa-drà mihoatra noho ny mihaino ny feon'i Jehôvah ? He! ny manaraka no tsara noho ny fanatitra, ary ny mihaino no tsara noho ny saboran'ondrilahy. " - 1 Sam. 15:22.
"Dia hampifandrafesiko hianao sy ny vehivavy ary ny taranakao sy ny taranany: izy hanorotoro ny lohanao, ary hianao kosa hanorotoro ny ombelahin-tongony." — Gen. 3:15.
Mofon’aina: Tamin'ny fotoana nihintsanan'ny ravin-kazo sy ny felamboninkazo no nahitan'i Adama sy ilay mpanampy sahaza azy ny famantarana voalohan'ny fahalovana. Nazava sy velona tao an-tsainy ny zava-misy marina fa ny zava-manana aina rehetra dia tsy maintsy ho faty. Eny fa na ny rivotra izay niankinan'ny fiainany aza dia nitondra ny voan'ny fahafatesana. (…)
Nomen'Andriamanitra fahafaha-misafidy ny zavaboary satria ilaina amin'ny fitiavana izany; ny tsy fampiasana araka ny tokony ho izy io safidy malalaka io no mahatonga ny faharatsiana. Mbola maro anefa ny fanontaniana mipetraka. Navelan’Andriamanitra hisy ny ratsy (mandritra ny fotoana voafaritra), na dia halany aza; raha tsy izany mantsy dia ho voahaisotra ny fitiavana, ary raha fongorana aloha loatra ny ratsy dia hanimba ilay fitokiana izay ilain'ny fitiavana izany.
Na dia tsy takatsika aza ny fomba sy ny fisainan'Andriamanitra, ny Soratra Masina dia manambara hevitra sasantsasany izay manampy amin'ny famahana ny olan'ny faharatsiana. Fomba iray azo anazavana izany olana izany ilay antsoina hoe safidy malalaka.
Hoy Andriamanitra ao amin'ny Isa. 55:8,9: "Fa ny fihevitro tsy fihevitrareo, ary ny làlanareo kosa tsy mba lalako, hoy Jehôvah , Fa tahaka ny hahavon'ny lanitra noho ny tany no hahavon'ny làlako noho ny làlanareo sy ny fihevitro noho ny fihevitrareo."
Ambony lavitra noho ny antsika ny fisainan'Andriamanitra. Tsy takatry ny saintsika ny hasarotry ny drafitr’Andriamanitra ho an'ny tantara. Eo anatrehan'izany, nahoana moa isika no tokony hanantena fa afaka hahafantatra marina ny anton'ny zavatra ataon'Andriamanitra na tsy ataony amin'ny toe-javatra samihafa?
Ho resin'ny fitiavana ny faharatsiana amin'ny faran'ny tantara. Mbola misy fanontaniana manahiran-tsaina maro mipetraka anefa izao. Ahoana no ahafahantsika misaina sy miresaka mikasika ny olan'ny faharatsiana amin'ny fomba izay mety hanampy antsika?
Vakio ny Jôba 38:1-12. Ahoana no anazavan'ny teny navalin'Andriamanitra an'i Jôba ny olan'ny faharatsiana? Manao ahoana ny fahalalantsika izay zavatra mety miseho ao ambadiky ny toe-java-misy?
Tsy ankehitriny ihany no iresahana momba ny olan'ny faharatsiana fa voaresaka ao amin'ny Soratra Masina koa izany.
Vakio ny Joba 30:26, Jer. 12:1, Jer. 13:22, Mal. 2:17, sy ny Sal. 10:1. Ahoana no anehoan ‘ireo andininy ireo fa mibahana eo amin'ny fanandraman'ny olombelona ny faharatsiana?